“Fanaovana propagandy lany andro ny filazana fa izy ihany no zanaka an-trano, fa ny mpifaninana zaza sary.
Fanaovana propagandy tsy mendrika ny fampiasana ny fahefam-panjakana hadrahonana ireo Ben’ny Tanàna, hatao “inspection”raha tsy mifidy ny azy; Fanaovana propagandy “madainga, ratsy loha, mihevitra ny hafa ho adala ny fampitahorana ireo mpifidy fa tsy hasiana fampandrosoana ny Kaomina any aminy raha vao tsy mifidy azy”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko MMM Atoa Laurent Ramaroson tao amin’ny tambajotran-tseraserany omaly. Mikasika ny fifidianana loholona io, ary ny kandidan’ny TGV-MAPAR mazava ho azy no tiany hambara ao anatin’io. Miharihary ny fifanolanana eo amin’ny Antoko MMM an’Atoa Hajo Andrianarivelo izay minisitra am-perinasa sy ny Antoko na vondron’antoko misy ny Filoha, raha jerena amin’io. Fomba firesaky ny MMM moa ny mampahatsiahy, fa tamin’ireny fifidianana teo loha, toy tamin’ny ben’ny tanàna dia nandrotsaka kandida ny antoko hafa ao anaty fitondrana, toy ny Freedom, fa tsy nenjehina tahaka io atao azy ireo io. Inona no fiantsoana ny olona tahaka izany e? "Izay manoro lalana mahitsy, mamindra aina"; Tsia, tsy hanome toky fa ny Senatera MMM dia afaka hampandroso samirery ny Kaomina ; hahavita hanara-maso tanteraka ny mety ho “fividianana” ny safidin’ireo Mpifidy-mivarotena; Eny, hanoro ny lalana mahitsy ny MMM; miombon’antoka sy manatanteraka ireo velirano nataon’ny Prezidà Andry Rajoelina, miezaka hatrany hametraka “fomba fanaovana politika vaovao,.mendrika ary mihaja, hoy I Laurent Ramaroson mpitarika ny MMM. Asa izay ho vokatry ny fifidianana loholona, fa raha izao fizotrany izao, dia hiafara amin’ny fifanandrinana eo samy ao anaty Fitondrana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.