Politique

Fifidianana loholona Tsy voahaja ny miralenta


  • Alarobia 14 Oktobra 2020

Hatreto moa izany dia mbola tsikera mivoy mikasika ny fifidianana ho loholona kasaina tontosaina ny volana desambra izao ny hoe mandeha ila.

 

 

 

Isan’ny mampametra-panontaniana ao anatin’izay ihany koa anefa ny hoe aiza ho aiza ihany koa ny fametrahana ilay atao hoe miralenta ao anaty rafi-panjakana eto Madagasikara? Isan’ny lokalokan’ny filoham-pirenena ny hametraka an’io ao anaty governemanta fony izy mbola vao ho fidiana. Rehefa jerena anefa ireo heverina ho ofisialy fa kandidam-panjakana hatreto dia saika tsy hahatarafana izay miralenta izay ihany koa toy ny hita amin’ny kandidan’ny Mapar ao Toliara sy kandida IRD ao Fianarantsoa. 100% lehilahy ihany koa ireo kandida miisa 5 narotsaka ao Toliara izay ahitana ny loha lisitra, Eongobelo Marcel, arahan’ny minisitry ny fifandraisan-davitra teo aloha, Rakotomamonjy Neipatraiky, Fiandraza, Mahonjo Hugues Laurent Guy, Tsilova. Mbola tsy ho tafapetraka koa araka izany ity resaka miralenta ity, raha ny hita hatreto mikasika izay fifidianana loholona izay.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT