Politique

Fifidianana loholona Toamasina sy Toliara TIM sy HVM teo aloha no kandida TGV-MAPAR


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Mazava aloha izany izao fa tsy manana olona ny TGV-MAPAR, tsy arak'ireny fampanantenana tamin’ny propagandy ireny hoe efa vonona ary manana olona manana traikefa sy vonona hampandroso,

hoy ny fanamarihan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena eo anatrehan’ny fandrotsahana kandida ho loholon’ny antoko sy vondron’Antokon’ny Fitondrana. Tsy misy olom-baovao, fa mampiasa ireo olona mpivadibadika palitao, tsy manana etika politika, hoy hatrany ny tsindrom-paingotra. Rtoa Ramarosoa Emilie izay narotsaka ao Toamasina dia efa avy loholona TIM, tao amin’ny vondronana depiote HVM, ary farany teo nirotsaka depiote IRD, hoy ny fanamarihana. Atoa Neypatraiky Rakotomamonjy, izay narotsaky TGV ao Toliara, dia efa niaraha-mahalala fa isan'ireo mpanorina ny HVM, ary rehefa nohesorina tsy ho minisitra ihany koa dia tsy hita tao amin’ny HVM intsony. Tsy vaovao eto Madagasikara anefa ny toe-javatra tahaka izao, fa zary sokajiana ho traikefa ara-politika aza ny fahaizana manara-drenirano sy famadihana palitao ho sakaizan’ny mpandresy. Hita taratra foana ny famadihana palitao, ary saika ahitana izany matetika ny antoko lehibe. Tena ny tombotsoam-bahoaka sy foto-kevitra na vinam-piarahamonina sy vinan’antoko tokoa ve no zava-dehibe eto Madagasikara sa izay ahazoana seza sy fahefana?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT