Politique

Fifidianana loholona Raharahan-tokantranon’ny samy mpitondra


  • Talata 13 Oktobra 2020

Nifarana omaly 12 oktobra ny fandrotsahana ny dosie ho an’ireo kandida ho loholona.

 

 

Raharahan-tokantranon’ny samy mpitondra amin’ny ankampobeny. Misy ny faritra tsy misy mpilatsaka afatsy lisitra tokana dia ny vovonana TGV-MAPAR na IRMAR tsy hay intsony izay anarana iantsoana azy, raha ny tatitra vonjimaika. Isan’izany ny any Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara, Antsiranana, raha tsy hoe nisy lisitra mpifaninana tonga tamin’ny ora farany, ka iandrasana ny tatitra ofisialy. Ny eto Antananarivo sy Toamasina kosa dia samy manana ny kandidany ny TGV-MAPAR na IRMAR ary manana ny azy ny Malagasy Miara-Miainga na ny MMM. Mitarika ny vovonana IRMAR eto Antananarivo ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny fanabeazana Herimanana Razafimahefa sy Sylvain Rabetsaroana, ampian-dry Pierre Houlder. Ho an’ny MMM kosa dia Mitarika ny lisitra i Andrianantenaina Michel Rakotondrainibe, Bernard Anselme Ravelonjato. Na endrika hanehoana fa misokatra sy tsy mandeha ila ny fifidianana, ka tsy maintsy manao sinema politika, na koa efa tandindon’ny fisaraham-bazana sy fisarahan-dia amin’ny 2023.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT