Politique

Fifidianana loholona Propagandy ho feno kajy politika


  • Zoma 20 Novambra 2020

Nisokatra tamin` ny fomba ofisialy omaly ny fampielezan-kevitra ho amin` ny fifidianana loholona.

 

 

Ho an` ny IRD manokana dia teny amin` ny Arena Ivandry no nanokafana ny fampielezan-kevitra ho an` ny faritanin`Antananarivo. Nandritra izany no nilazàna ny lisitry ny kandidà IRD sy ny asa hotanterahin` izy ireo raha voafidy loholon` i Madagasikara. “Vonona hitondra fampandrosoana ho an` ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Vonona hiahy ny kaominina izay kamboty ankehitriny ny IRMAR”, hoy Razafimahefa Herimanana. Nilaza koa izy fa vonona hanelanelana ny kaominina sy ny fanjakana ka hitondra ny lalàna ilaina amin` ny fampandrosoana ny kaominina. Etsy ankilany, poa-droa no tanjona ho an` ny Isika Rehetra miaraka amin`i Andry Rajoelina amin` ny fifidianana loholona ho an` ny faritanin` Antananarivo, hoy Christine Razanamahasoa mpandrindra ny vovonana IRD. Mahatoky tena amin` ity fifidianana ity ny antokon` ny fitondrana ankehitriny. Betsaka kosa anefa no miahiahy amin` ny mety tsy hahazoan` ny maro an` isa eo amin` ireo antenimiera roa tonta. Misy amin` ireo mpifidy vaventy no tsy mankasitraka an` ireo kandidà natolotry ny vovonana IRD. Araka ny loharanom-baovao voaray dia mety ho votsotra ny faritanin` Toamasina, Fianarantsoa ary Toliara noho izay safidy mety ho diso amin`ny fifantenana kandidà izay. Ho an`Toamasina dia mirona kokoa any amin` ny antoko MMM ny safidin` ireo mpifidy vaventy. Ho an`Fianarantsoa dia mety hisy akony ny ady mangatsiaka amin` ny fizarana faritra Vatovavy sy Fitovinany. Ho an` Toliara indray dia maro no diso fanantenana tamin` ny kandidà lohalisitra noho ity farany efa olon` ny fitondrana HVM teo aloha. Mbola haharitra 21 andro moa ny fampielezan-kevitra fa ny azo ambara dia ho maro ireo kajy politika amin` ity fifidianana loholona amin` ny 11 desambra izao.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT