Politique

Fifidianana loholona Misokatra ny fampielezan-kevitra


  • Alakamisy 19 Novambra 2020

Nanomboka androany tamin` ny 6 ora maraina ka tsy hifarana raha tsy ny 9

 

desambra izao ary haharitra 21 andro ny fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana loholon`I Madagasikara amin`ny 11 desambra ho avy izao. Manoloana izany dia nitondra hafatra ho an` ireo kandidà sy ireo mpifidy vaventy ny filohan` ny CENI, Hery Rakotomanana. “Ianareo kandidà, ianareo antoko politika. Amin` ny alalan` izao fifidianana izay karakaraina izao dia ho lasa mpikambana ao anaty andrimpanjakana lehibe eto amin`ny tany sy ny firenena ianareo kandidà izay lany. Lasa loholona ianareo. Toeram-boninahitra no sady manan-kaja ary maodelin` ny fiarahamonina”. Noho izany, mandritra izao fampielezan-kevitra izao, dia aleo hita soritra amin`ny ataontsika sy amin`ny tenintsika izany fenitra izany indrindra ny soatoavina Malagasy dia ny fihavanana izany, hoy ihany izy. “Aoka ny fanentanana sy ny fandraisam-pitenenana izay atao dia tsy ahitana fanaratsia olona fa hifototra amin`izay ho atao raha tonga eo amin`ny toerana. Aoka ihany koa hanaja ny didy aman-dalàna izay mifehy ny tanindrazantsika. Aoka isika hijoro eo anatrehan`ny tany sy ny firenena fa olona manan-kaja, mendrika ary maodelin` ny fiarahamonina”. Namafisiny hatrany fa raha ohatra ka voatadrina izany rehetra izany dia ho maodely hatrany isika hatrany amin`ny faritra misy antsika ary hatrany Afrika sy ny manodidina azy izany. Miantso ireo fiarahamonim-pirenena mikasa hanara-maso ny fifidianana ny CENI mba handefa ny solontenany irairay avy amin`ny fanolorana ny torolalana mahakasika izany ny zoma izao eny amin`ny CENI Alarobia.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT