“Tsy maintsy miroso amin` ny fitsapankevim-bahoaka vao afaka mandrava ny CENI. Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana loholona araka ny lalàna velona eto amin`ny firenena.
Tsy mitombina ny fitakiana ataon` ireo vondron` olona mikasa handrava izany. Raha fikasàna samihafa dia mila manaraka ny lalàna amin`ny maha mpanao lalàna azy ireo loholona sasany mikiry amin`izay fomba fihevitra izay” hoy Paolo Raholinarivo, adminisitratera sivily. Nambarany hatrany fa “ mitovy valaka tamin` ny fifidianana loholona farany ireo mpividy vaventy ka inona no olana?” Etsy ankilany, tsy mitovy velively ny zava-misy ankehitriny sy tamin` ny fifidianana loholona farany teo, hoy Thierry Raveloson, loholona. “Raha jerena ny lalàna, tamin` ny fandaniana loholona farany dia nisy ny atao hoe “disposition transitoire” momba ny fifidianana loholona voalohany amin` ny repoblika fahaefatra ka ireto avy no mpifidy vaventy: ben` ny tanàna sy mpanolotsaina. Amin` ity fifidianana loholona ity dia ny famerana ny isan`ny loholona no nanahirana azy ireo fa tsy nijerena izay “disposition transistoire” izay. Araka izany tsy mahafeno fepetra ireo mpifidy vaventy: ny lehiben` ny faritany, ny mpanolotsainan` ny faritany, ireo filohan`ny faritra ve efa voafidy? Ny ben` ny tanàna sasany aza dia tsy tonga hatramin` ny farany ny fifidianana. Iza ary araka izany no handrafitra ireo mpifidy vaventy izay tsy no jerena fa maika handroso fitsapahan-kevim-bahoaka sy fifidianana loholona fotsiny. Tsy azo hadinoina fa nisy fotoana nisy fiatohana ny loholona teto amin` ny firenena.” Samy nitondra ny heviny moa ireo teknisianina sy ireo senatera ary mbola ao anatin` ny adihevitra be tanteraka ny fanatanterahana ny fifidianana loholona amin` ny 11 desambra izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.