Politique

Fifidianana loholona Mandeha sahady ny fampielezan-kevitra


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Raha mbola amin` ny 18 novambra izao no voafaritra ny daty hanombohana ny fampielezan-kevitra ho amin` ny fifidianana izay ho loholona amin`ny 11 desambra izao saingy efa misy sahady no tsy mahandry tantana.

 

 

 Efa mandeha ny karazana fampielezan-kevitra ataon` ireo olona mikasa hilatsaka amin`izany fifidianana izany. Raha nametraka ny samboadin` ny ben` ny tanàna voafidy tany Mandoto, faritra Vakinakaratra, faritanin` i Antananarivo, dia mahavarina sahady no nahitàna ireo kandidà avy amin`ny antokon`ny fanjakana, Herimanana Razafimahefa sy Sylvain Rabetsaroana. Tsy ambakan` io ihany koa ny eo anivon` ny fiadiadin` ny Repoblika fa dia tonga nanotrona izany lanonana izany i Pierre Houlder, izay tale jeneralin` ny raharaha politika. Mbola hita tany Mandoto koa ny filohan` ny antoko AVI, Norbert Lala Ratsirahonana. Mahatsapa ny fitondram-panjakana fa raha ara-statistika dia tsy hahazo ny maro an` isa izy ireo ka ilaina no mikoty ireo ben`ny tanàna tsy miankina sy avy amin`ny fanoherana. Pimaso tsy misy mihoatra ireny no natao tany Mandoto. Raha hiverenana, tsy voafaritra anatin` ny lalàna mifehy ny fifidianana ny fanaovana fampielezan-kevitra mialohan`ny fotoana tahaka izao. Hanairana kosa ny sain` ny mpanao lalàna ny famaritana izany. Na ny olom-pirenena tsotra, ny fikambanana firaisa-monim-pirenena sy ny mpandinika ny raharaham-pirenena dia efa niantsoantso amin’ny tokony hametrahana lalàna mazava momba izay resaka fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana izay, saingy na ny fitondram-panjakana na ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana dia samy tsy misy miraharaha an’izany aloha hatreto.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT