Politique

Fifidianana loholona Iza avy moa izany ireo mpifidy vaventy ?


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Hifarana amin` ny volana febroary 2021 ny fe-potoam-piasan` ireo loholon` i Madagasikara.

 

 Araka ny nambaran` ny filoham-pirenena rahateo dia mialohan` ny faran` ny taona no hiroso amin` ny fifidianana izay ho mpikambana vaovaon` ny Antenimierandoholona izany. Raha tsiahivina dia tamin` ny volana desambra 2015 no nifidy loholona farany isika teto Madagasikara. Nandray ny asany ara-dalàna tamin` ny volana febroary 2016 ireo olom-baofidy ireo. Ny governemanta, amin` ny alalan` ny minisiteran` ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, no tompon` ny teny farany amin` ny famoahana didim-panjakana fampiantsoana mpifidy handray anjara amin` ny fifidianana loholona. Eo indrindra, araka ny lalàna mifehy ny fifidianana loholona dia ireo ben` ny tanàna, mpanolotsainan` ny tanàna, ireo lehiben` ny faritra sy ireo mpanolotsaina ara-paritra, ireo lehiben` ny renivohim-paritany sy ireo mpanolotsaina no mandray anjara amin` ny fifidianana. Hatreto dia ny ben` ny tanàna sy ireo mpanolotsainan` ny tanàna ihany no nisedra safidim-bahoaka fa ny eny anivon` ny faritra kosa fehezin` ny governoram-paritra izay notendren` ny filoham-pirenena. Mazava anefa ny voalazan` ny lalàmpanorenana ao amin` ny and. faha-154 fa “ny lehiben` ny faritra dia olom-boafidy tamin` ny alalan` ny latsabato andraisan` ny rehetra anjara" saingy namoaka ny didim-panjakana lah.2019-1866 ny fitondram-panjakana hanendrena ireo governoram-paritra. Marihana hatrany fa loholona miisa 12 ihany no hofidian` ireo mpifidy vaventy fa ny 6 ambiny dia tendren` ny filoham-pirenena mialohan` ny 21 andro hivoahan` ny vokam-pifidianana. Tanjon` ny fitondram-panjakana moa ny hahatafiditra loholona betsaka indrindra mba hananana ny maro an` isa ao amin` ny Antenimierandoholona.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT