Na teo aza ny fanehoan-kevitra maneho hatezerana avy amin`ireo parlemantera
voakasikin` ny fihenan'ny firafitr' ny Antenimierandoholona izay loholona 63 lasa 18 monja noho ny didim-panjakana navoaky ny filoha Rajoelina, ny voka-pifidianana ny zoma lasa teo dia tsy nahitàna tranga niavaka. Na dia notoheran` ny ankamaroan' ny loholona, indrindra ireo avy amin` ny antoko HVM dia nisy hatrany ny fifidianana ary raha mifototra amin'ny fironana voalohany nambaran' ireo haino aman-jery dia tsy nahagaga ny fandresen' ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Ny mifanohitra amin'izany rahateo dia tsy hisy mihitsy. Ny voka-pifidianana vonjimaika dia maneho ny fanjakazakan' ny kandidà natolotry ny lisitrin` ny antoko TGV. Efa naminavina moa ireo mpandalina fa ny ankamaroan'ny ben'ny tanàna sy ny mpanolotsaina monisipaly izay nandatsa-bato dia tsy afaka miandany amin'ny kilasy politika izay mitazona ny fahefana ankehitriny. Ny voka-pifidianana ofisialy avy amin` ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) dia andrasana amin` ny 07 janoary izao, araka ny tetiandrom-pifidianana avy amin` ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI).
MarignyA.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.