Nisintaka tsy ho kandida loholona any Fianarantsoa i Auguste Philippe
Randrianandrasana lohalisitry ny Fanorolahy ao amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, araka ny fanambarana nataony omaly, 10 andro mialohan’ny latsa-bato. Hatsahatro ny fampielezan-kevitra, tsy hametraka delege any amin’ny biraom-pifidianana, tsy tompon’andraikitra amin’izay ataon’ny mpiray lisitra aho, hoy io kandida io. Asa izay ho fipetrany any amin’ny CENI satria efa voarakitra ho kandida io ara-dalàna io lisitra io. Nilaza ity loholona teo aloha ity, fa ho an’ny tombotsoan’ny firenena ny nisintahany, ary misy antony ny zava-drehetra. Atao sahalan’ny tsy misy ny lisitra Fanorolahy, ary miangavy anareo hifidy ny lisitra hafa, hoy izy. Tsy izaho mihitsy no hanao zavatra hampisavororovoro. Raha ny filatsahako ny hiteraka an’izany dia aleoko miala, aleo mampadany ny lisitra IRD. Tokony hijanona sy hanaraka ny diany ireo mpiray lisitra aminy, raha ny nambaran’io kandida nitsoaka an-daharana io. Asa izay hiafaran’izy ity, fa raha izay fandehany izay, dia ho lany mazava ho azy ny kandida Remonala sy Nicolas Rabemanjara, izay natolotry ny IRD. Raha ny lojika, dia tsy azo fafana ao anaty bileta tokana intsony ny sariny sy ny lisitra misy azy, ary tsy mbola hay izay hafitsok’ireo mpiray lisitra satria tombanana fa nisy tsy fifankahazoana na kajy politika avo lenta tao matoa aty amin’ny fotoana farany vao nanapa-kevitra hisintana sy hanohana kandidam-panjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.