Politique

Fifidianana loholona Ahiana hiroborobo indray ny bizina politika


  • Zoma 11 Septambra 2020

Miroso any amin’ny fifidianana izay ho loholona ao amin’ny Antenimierandoholona ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.

 

 

 Araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta farany teo dia amin` ny 11 desambra izao no hanatanterahina ny fifidianana loholona araka ny tolokevitra avy amin` ny CENI. Ny nanaitra ny besinimaro kosa dia ny naheno ny saram-pisoratana anarana izay lasa 15 tapitrisa ariary. Ny azo antoka aloha dia natokana ho an` ny manan-katao ity fifidianana indray mitoraka ity ary mety ho vitsy ireo antoko tsy eo amin` ny fitondrana. Miendrika ho fanaovana sivana ankolaka ny mpilatsaka no tanjona izao fanapahana izao. Ho olona tahaka ny ahoana no hazaka izao saram-pisoratana anarana izao? Mazava ihany fa ireo mpandraharaha sy mpanam-bola ihany no ho loholona eto Madagasikara. Ahiana olona hangalatra sy hanao bizina amin’ny anarana maha loholona no tena mahamaika azy ireo. Ahiana ihany koa aza ireo mpanao politika manana laza ratsy amin` ny vola maloto sy kolikoly manantena ny ho lany satria manam-bola. Mba maro ihany ireo olona manam-paniriana hanao politika mba hikatsaka tokoa izany fampandrosoana izany saingy ny eto Madagasikara dia ny vola sy ny harena no manjaka. Aiza ho aiza ihany koa no hahafahan` ireo antoko politika sy fiaramonim-pirenena manabe ny vahoaka amin` ny lafiny politika raha toa ka mibaribary sahady fa ho an` ny mpanam-bola ny politika eto Madagasikara.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT