Politique

Fifidianana loholona 15 tapitrisa Ar ny saram-pandraisana anjara


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny Governemanta androany alarobia 09 septambra ny didim-panjakana manaika ny mpifidy vaventy, ka araka ny tolo-kevitry ny CENI dia ny zoma 11 desambra 2020 no hanatanterahana izany.

 

 

Tapaky ary nankatoavin’ny Filankevitry ny governemanta ihany koa, fa 15 tapitrisa ariary ny fandraisan’anjaran’ny lisitry ny kandida amin’ny saram-panontàna ny biletam-pifidianana isaky ny lisitra sy isaky ny fari-pifidianana. Nankatoavina ihany koa ny fomba fanonerana izany fandraisana anjara izany. Fifidianana andraisan’ny mpifidy vaventy anjara io, isaky ny faritany, ary 5 taona ny fe-potoam-piasany, latsa-bato mihodina amin’ny lisitra tsy azo ovaina, tsy misy fampifangaroana na latsabato ahazoan’ny mpifidy manova ny laharan’ny hofidiana na lisitra tsy feno, araka ny andininy faha-78, 79 amin’ny lalàna fehizoro 2015-007 ny 3 martsa 2015. Tsy maintsy apetraka eny anivon’ny rafitra mpanara-maoso sy mandray ny filatahan-kofidiana na OVEC eny anivon’ny Vaomieram-paritany misahana ny fifidianana eo anelanelan’ny 28 septambra 2020 amin’ny 9ora maraina ka hatramin’ny 12 oktobra amin’ny 05 ora hariva ny antontan-taratasy filantsahan-kofidiana. Ny CENI no mamaritra ny lisitr’ireo kandida tena izy, isaky ny lisi-pifidianana, miaraka amin’ny mari-pamantarana azy avy farahafahatarany ny 29 oktobra 2020. Hanomboka ny 19 novambra 2020 amin’ny 06 ora maraina ary hifarana ny alarobia 09 desambra amin’ny misasakalina ny fampielezan-kevitra,… Tendren’ny CENI 30 andro mialohan’ny fifidianana ny Biraon’ny fandatsaham-bato. Tsy azo atao ny mivarotra na mitsinjara zava-pisotro misy alikaola manerana ny Nosy ny 10-11 desambra. Somary miteraka adihevitra, ilay volabe 15 tapitrisa ariary, izay mety hiteraka fihemoran’ny kandida sasany. Heverina fa ho mora ihany koa ny manao kolikoly amin’ny fividianana ireo mpifidy vaventy satria fifidianana handraisan’ny besinimaro anjara aza teto niraradraraka ny vola.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT