Hanenjika ny maro an` isa ny fitondrana amin` ny fifidianana loholona izay tanterahina ny 11 desambra izao tahaka ny Antenimieram-pirenena. Raha ny isa vonjimaika navokan`ny CENI dia miisa 14 ireo lisitra kandidà hiatrika izany fifidianana izany.
Ho an`Antananarivo, ny lohalisitra hitarika ny IRMAR, vondrona politika manohana ny fitondrana, dia i Razafimahefa Herimamanana. Rabetsaroana Sylvain no eo amin`ny lisitra faharoa, izay tsiahivina fa efa nirotsaka tamin` ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Hifaninana aminy ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM) izay tarihan` i Rakotondrainibe Michel izay fantatra fa mpitambola eo anivon`ny antoko ihany. Ho an`ny faritanin` Fianarantsoa dia lohalisitry ny IRMAR i Edmond Rasolondratsimba sy Nicolas Rabemananjara. Kandidà avy amin`ny tsy miankina kosa no hifaninana aminy. Manana kandidà telo kosa ny faritanin`i Toliara: ny depiote lany tao Ihosy, Neypatraiky Rakotomamonjy, izay filohan` ny vondron` ny parlemantera GPR eo anivon` ny Antenimieram-pirenena no sady efa minisitry ny paositra sy ny fifandraisana an-davitra nandritra ny fitondrana teo aloha, no lohalisitra ho an`ny IRMAR. Hifaninana aminy ny fikambanana VMM (Vahoaka Miara Mandroso) Bernardine Razafimalala, vadin` ny solombavambahoaka am-perinasa lany tao Toliara II. Ho an`i Toamasina indray dia ny ben`ny tanàna voafidy ao Mahanoro, Donnat Tong Manasoa, sy Emiline Rakotobe Ramarosoa, solombavambahoaka voafidy taoamin`ny distrikan` Amparafavaravola, no sady efa loholona teo ihany koa, no hitarika ny IRMAR. Hifaninana aminy kosa ny MMM izay tarihan` i Sidonie Raharinirina sy Joel Bevoavy. Any Antsiranana dia i Minose Ramila, izay miasa akaiky amin`ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena faritanin`Antsiranana eo amin`ny fanaovana asa sosialy no mitarika ny vondrona IRMAR. Kandidà roa hafa avy amin`ny tsy miankina no fantatra fa hifaninana aminy. Any Mahajanga indray dia mandeha irery ny IRMAR amin`ny hazakazaka ho eny amin`ny lapan`Anosikely. Ao anatin` ny fandinihana ny antontan-taratasy ny OVEC amin`izao fotoana izao ka ny alakamisy 29 oktobra izao no hamoahan` ny CENI ny lisitra ofisialin` ireo kandidà hifaninana amin`ny fifidianana loholona.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.