Amin`ireo mpifidy vaventy miisa 12 465 ao anatin’ny lisitra amin’ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra ho avy izao dia : 2428 no avy eto amin`ny faritanin’Antananarivo ; 1 114 any Antsiranana ; 3 144 any Fianarantsoa ; 1 854 any Toamasina ;
1 785 mpifidy any Mahajanga ; ary 2 140 any amin`ny faritanin` Toliara. Misy amin`ireo mifidy vaventy kosa no mizara anaty sokajy roa samihafa : 268 ireo mpifidy vaventy “auditionnés”; 280 ireo mpifidy vaventy « retranchés ». Nandritra ny lahateniny mikasika ny lisitry ny mpifidy vaventy dia nanambaran` ny filohan` ny CENI, Hery Rakotomanana fa “najaina hatrany ny fangaraharana, teo amin’ny fandrafetana ny lisitra, mba ahazoantsika lisitra marina, ahafahana mitantana fifidianana eken’ny rehetra. Mba hiantohana izany fangaraharana izany, dia naverina tany amin’ireo rantsa mangaikan’ny CENI, eny anivon’ny Distrika ny lisitra, mba ahafahana manamarina azy, mialoha izao famaranana tanteraka izao». Mialoha izao famaranana tanteraka izao, dia nanao sehatra ifampidinihina (cadre de concertation) niaraka tamin’ireo mpiara miombon’antoka rehetra ny CENI mba hanazavana ny lalan-kizorana, fa indrindra, niantso ireo fiarahamonim-pirenena sy ireo solontenan’ny kandidà, mba hiaraka hanao famaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy vaventy. Nanamafy hatrany moa ny filohan`ny CENI fa « mifanaraka tsara amin’izay voalazan’ny lalàna, amin’ny toe-jazava-misy amin’izao fotoana ny lisitry ny mpifidy vaventy, nofaranana ny 11 Novambra teo ».
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.