Naneho ny heviny mahakasika ny fanambarana nataon’ny CENI i fernand Cello, kandidà ben’ny tanàna farany teo.
Efa fanaon’ny mpanao politika hatramin’izay io resaka “doublons” sy CIN sandoka io, ary saika ahitana tahak’izao avokoa any amin’ny Faritra rehetra eto Madagasikara. Ny taona 2015 dia nahatratra CIN sandoka 500 mahery ny kaomisaria Ranohira izay nataon’ny lehiben’ny fokontany sy kandida hilatsaka hofidina tao Ilakaka. Ankehitriny, lasa ben’ny tanàna lefitra ireo lehiben’ny fokontany 4 ary nezahina nasitrika io "dossier "io . Nametraka fitoriana teny amin’ny fampanoavana izahay tamin’izany saingy tsy nisy tohiny kanefa dia nisy porofo avokoa ireo kara-panondro sandoka. Nandefa vadintany izahay tamin’izany ,ary niaiky ireo olona ireo fa tsy azy io kara-panondro io fa sandoka kasaina ampiasaina amin’ny fifidianana, hoy i Fernand Cello. Nandritra ny fifidianana kaominaly farany teo indray dia mbola niparitaka ny CIN sandoka , ary manana porofo be dia be ihany koa ny Kandida rehetra nilatsaka hofidiana tao Ilakaka.
Nilaza ny OMC fa handray fepetra hentitra saingy nanjavona sy nangina tanteraka ny raharaha. Fehiny, hoy ity mpanao gazety ity dia raha mbola fifidianana karakarain’ny CENI eto Madagasikara dia tsy hanjary, ary raha tsy misy fandraisan’ny olom-pirenena andraikitra dieny izao, ny eo ihany no ho eo, ka ho potika ny hoavin’ny taranaka any aoriana. Azo atao tsara izany ny mandika lalàna raha ireo zavatra avoakako eto ireo, hoy ny fanazavana
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.