Taorian`ny fanambarana samihafa manakiana mafy ny fifidianana filoham-pirenena ka nilazan`ny filoha Rajoelina fa “izy no lany sy mpandresy” dia nanambara ny filohan`ny Antenimierandoholona,
Rivo Rakotovao fa tokony hivoaka ny marina mahakasika izany. Manana fanampim-baovao ve izy amin`ny maha filoham-pirenena azy ahafahany manapa-kevitra ? Matoa ny filoha mieritreritra fa tsy ilaina intsony ny fifidianana dia manana ny antony izy. Tokony hisy ihany ny fanadihadiana nataony mialoha ny nanambarany iny teniny iny. manamarina azy. Matoa ny filoha niteny an`izay dia efa vita ny fanadihadiana milaza fa fanakorontanana firenena fotsiny ireny fanambarana ireny. Aleo havoaka raha nisy satria ny mangarahara no fototra hijoroan`ny fanjakana tany tan-dalàna, hoy hatrany i Rivo Rakotovao. Nohamafisiny hatrany fa adihevitra demokratika no atao eto Madagasikara, izany hoe mametraka ny ahiahy kanefa lazaina fa “mioko ny senat”.
Marigny A. sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.