Araka ny vaovao nivoaka farany dia mipoitra izao ny marina izay nafenina amin`ilay filazana hoe : azo raisna fa tsy mitombina.
Nolazain`ny CENI fa diso ny vato 1 270 000, izany aza tsy mbola misy an`ireo nolazaina fa maty nitsangana, ireo olona nesorina tao anaty lisitra, ireo « bureau de vote fictif » nahatratra 7000 isa,… Ankoatra ireo dia tsy azo adinoina ireo taham-pahavitrihana nahazoana salan`isa 113%, 115%, 119 %… tamin'ireo biraom-pifidianana maro manerana ny nosy. Ny zava-nisy dia namoaka valim-pifidianana ny CENI tamin`izany. Voalaza tao amin`io tatitra io fa ny taham-pahavitrihana tamin`ny faritra maro amin`ny sisin`ny nosy amin`ireo toerana nahazoan`ny kandidà lah. faha-13 salan`isa dia 80%. Ahitana karazana taham-pahavitrihana izay tsy mbola nisy teo amin`ny tantara. Ohatra, ny faritra Androy, Kaominina Behabobo, EPP Antanimena salle 01, dia nahitana taham-pahavitrihana 119,05%. Ireo mihoatra ny 100% dia am-polony maro. Ny faritra tany atsimon`ny nosy toa an`Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, izay toerana mafana hanjakan`ny tsy fandriampahalemana ka tsy mampazoto hifidy anefa no nahitàna io salan’isa 100% mahery io. Ireo toerana saro-dalana no tena nisian`ny fanampiana vato tsy ara-drariny(bourrage d`urnes). Mety nisy ihany koa izany ireo lisi-pifidianana nanaovana sonia hosoka. Raha tsiahivina ny tatitra navoakan`ny CENI dia biraom-pifidianana 5 254 no namaritra ny voka-pifidianana teto amin`ny firenena satria nandresy tamin`ny isa 83,56% ny kandidà Rajoelina nandritra ny fihodinana faharoa tamin`ireo birao ireo. Raha atao kajy tsotsotra ireo antontanisa dia nahitàna ireo 600 000 elanelany. Hala-bato bevata teto amin`ny firenena raha atao bango tokana. Santionany ireo fa ny tena nampalahelo dia ny faritra Atsimo izay efa sahirana sy mijaly rano indray aza no mbola ampandoavina rano eraky ny « bidon »nefa natao fitaovana hangalarana vato. Araka ny and. faha-216 mikasika ny lalàna mifehy ny fifidianana dia mampigadra enina andro hatramin`ny herintaona ary arahana onitra am-polony tapitrisa ariary ny fanaovana hosoka sy fanaovana fanambarana hosoka raha tsy hilaza afa tsy izay. Tsikaritra ihany koa fa nangina ny kaonty tsy izy (compte fake) mpiaro fitondrana momba ity resaka “doublon” kara-panondrom-pirenena ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.