Politique

Fifidianana filoham-pirenena Mora voarebireben’ny olom-baovao ny Malagasy


  • Talata 10 Mey 2022

Manomboka mahoraka ankehitriny fa misy olom-baovao hipoitra tampoka indray eto rehefa tena ho raikitra ny fifidianana ny fifidianana filoham-pirenena.

Tsy arak’ilay vinavinain’ny maro hoe efa hita manao fitetezam-paritra sy midina ifotony matetika eto an-tanindrazana ankehitriny ireny izy io fa hiseho amin’ny fotoana tsy ampoizina kosa. Raha ny feo mandeha moa dia manomana ny fiverenany an-tanindrazana amin’ny fotoana heveriny fa mampety izany. Izany hoe mbola any am-pitan-dranomasina aloha ity kandida ity. Malaza ho tsy isan’ireo mpanao politika na koa mpanao politika tranainy amin’ilay sokajiana hatramin’izay hoe “dinozaoro”. Tsy isan’ireo vao misandratra na efa be mpahafantatra koa anefa fa raha akapoka indray mandeha izany ny filazana azy dia tena hafa mihitsy izy, raha ny fandokafana heno momba ity kandida maha be resaka sahady ity aloha. Toy ny efa mahazatra teto hatramin’izay izany dia mbola tsy miova toy ny any amin’ireo firenena afrikanina hafa taraiky rehetra ny politika hisarihana vahoaka eto amin’ity Madagasikara ity. Heverina tsinona fa mbola paikady mandaitra tsara aty Afrika io resaka olom-baovao io. Ny filoha teo aloha tato ho ato rehetra tsaroantsika fa nambara ho olom-baovao daholo. Marc Ravalomanana, sady bogosy no mpanana, hoy ny hikiakan’ireo mpanaradia azy ny taona 2001. Vaovao sy mbola tanora ary mavitrika koa, hono, ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina. Mila olom-baovao I Gasikara, hoy ny hiran’I Jerry Marcos, nanondro ny kandida Hery Rajaonarimampianina nandritry ny praopagandy tamin’ny fotoan’andro. Nanakory anefa ny firenena? Miara-mahita ny rehetra ankehitriny saingy dia io sarihana amina olom-baovao hatrany io indray aloha ny tia vao sy ny malagasy malaza ho mora manadino rehetra. Ho hita eo raha mba efa hiova na tsia ny Malagasy hifidy filoham-pirenena.

J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT