Politique

Fifidianana filoham-pirenena Hitsapa ny halalin’ny rano i Mamonjisoa Isaac


  • Zoma 12 Oktobra 2012

Rehefa tsy re nandritra ny fotoana naharitra noho ny olana ara-pitsarana dia efa miverina amin’ny tontolo politika indray ny filohan’ny antoko FTSV Mamonjisoa Isaac.

 Vao avy nitarika fivorian’ny antokony tany amin’ny faritra Menabe ny tenany ka anton-dia tamin’izany ny fanovana ny rafitry ny FTSV. Araka ny nambarany dia novaina toy izay koa ny rafitra eto Analamanga. Natao ireo ho fanomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana izay handraisan’ny antoko anjara. Nandritra io fidinany tany Morondava io rahateo no nanamafisany ny filatsahany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Efa nialohavany sahady, araka izany, ny lahadiniky ny FTSV mandritra ny kaongersy nasionaly tontosaina eto Antananarivo amin’ny faramparan’ny volana novambra. “Latsaka ankaterena ny firenena ka mila fandraisana andraikitra hampandroso”, hoy i Mamonjisoa Isaac. Raha ny nambarany moa dia mahatratra 80.000 ireo mpikambana manerana ny Nosy.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT