Politique

Fifidianana filoha sy depiote “Tokony ho nampiarahina”, hoy ny SADC


  • Zoma 31 Mey 2019

Nanao tatitra ny SADC, roa andro taorian`ny fifidianana solombavambahoaka.

 

 

Nisy ny fanambarana nataon`izy ireo dia ny tokony ho nampiarahana ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote hisorohana ny taham-pahavitrihan`ny mpifidy tsy ho ambany. Fahombiazana kosa ho an`ny CENI ny fanamorana ny fanamarihana ny anarana anaty lisi-pifidianana raha oharina tamin`ny filoham-pirenena. Misy lesoka tokony harenina toy ny taham-pahavitrihan`ny mpifidy ambany. Tolo-kevitry ny SADC ihany koa ny fanabeazana ireo olom-pirenena. Faritra fito tamin`ireo 22 no nanaovany fanaraha-maso nandritra ny fifidianana farany teo. Tsikariny fa ny 79%-n`ireo birao fandatsaham-bato no nanaja ny ora fisokafana tamin`ny 6 ora maraina. Nitondrany fanamarihana ny halafon`ilay latsakemboka 5 tapitrisa ariary ka nampihena ny fahafahan`ny kandidà afaka nirotsaka hofidiana. Araka ny fomba fiasa apetraky ny SADC, 30 andro aorian`ny fahavitan`ny fifidianana no hamoahan`izy ireo ny tatitra ofisialy mirakitra ny tolo-kevitra fanatsarana ny fomba fikirakirana sy ny namoahana ny voka-pifidianana.

 

Fanontaniana nipetraka ho azy ireo nandritra ny fanambarana, izay tsy nahazoana valin-teny mazava ny hoe ho an`iza dia atao inona ? Noraisiny ho ohatra ny fizarana vola be manerana ny nosy nataon`ny kandidà Rajoelina nandritra ny fampielezan-kevitra fifidianana filoham-pirenena, araka ny nambaran`ny Vondrona Eoropeanina. Tsy nisy anefa ny fepetra sy andraikitra noraisina. Efa maro ny tolo-kevitra nomen`ireo mpanara-maso fifidianana saingy tsy hita izay vokany.

                                                                       

Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT