Nahitsy ny Loholona Rakotovazaha Olivier, Filoha hitarika ny vaomiera
misahana ny fifidianana farany izay natao ka nahitana “doublon” nandritra ny tatitra nataon`ny Vaomiera misahana ny fanadihadihana eo anivon’ny Antenimierandoholona, fa tsy manaja lalàna ny fifidianana fifidianana filoham-pirenena farany teo. Namotsipotsitra ireo tsy fanarahan-dalàna maro samihafa nandritra io fifidianana io ity loholona ity. “Tena nivoatra anefa ny fangalaram-bato ankehitriny eto Madagasikara. Ankoatra ny fanaovana biletà hosoka, fanoloana fitanana an-tsoratra aorian` ny fandatsaham-bato, fanidina ireo kara-pifidianana any amin`ny biram-pokontany, sns… dia izao, ny famerimberenana anarana anaty lisim-pifidianana no paikady tamin`ity. Nilaza ny OIF sy ny SACM fa 3% ny anarana niverina kanefa ny CENI milaza fa 1,2 tapitrisa ny isan` ny “doublons” amin` ny mpifidy 10 tapitrisa mahery. Mandiso ny fanambaran` ny OIF izany. Manampy trotraka ny fahamenoana ireo bileta tokana mialohan`ny fifidianana. Manamora koa ny mifehy ireo sefom-pokontany satria fehezin` ny minisiteran` ny atitany”hoy ity loholona ity. Ny olana fototra amin`ity fifidianana ity dia fandraketana lisi-pifidianana sy ny baiko midina samihafa, hoy ihany izy. Namafisiny hatrany fa ny korontana politika dia nialovana fifidianana, kanefa Madagasikara dia mahantra noho ny fanonganam-panjakana izay vokatrin` ny tsy fahaizana mitantana sy ny tsy fanajàna ny demokrasia. “Tsy fampidirana basy an-tsokotsoko no vokatra hitondrana ny firenena. Fifidianana madio hisian` ny fifampitokisana eo amin`ny entina sy ny mpitondra no andrandraina. Madagasikara dia firenena faharoa mahantra maneran-tany noho ny fitiavan-tena sy fizarana vilana. Tompon’andraikitra ho mpanakorontana koa izay mikasa hanao fitsapahan-kevim-bahoaka amin`io lisi-pifidianana hosoka io” hoy Olivier Rakotovazaha. Araka izany, mitaky ny fanitsiana lisi-pifidianana sy fifidianana madio moa ny Vaomiera misahana ny fanadihadihana eo anivon’ny Antenimierandoholona
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.