Mitohy ny fitsidiham-paritra sy fampielezan-kevitra ataon’i Marc Ravalomanana, ka toerana maro no nandehanany ny fiandohan’ny herinandro teo, toa an’i Tsiroanomandidy, Mahavelona, Mahasolo, Ankadinondry Sakay, …
Nanamafy ny fanohanana ireo kandidan’ny TIMK25 izay nomeny tsodrano izy. Dingana hafa indray taorian'ny fifidianana filoham-pirenena ny fifidianana solombavabahoaka, ka tsy hikely soroka mihitsy aho amin'ny fikarohana ny soa iombonana ho an'ny vahoaka sy ny fanasoavana ity tanindrazana mamintsika ity, hoy i Marc Ravalomanana. Ireo no fidio fa nahazo ny tsodrano avy aty amiko ary azoko antoka fa tena hahatanteraka ny teny nifanomezana, hoy ny toromarika nomeny ny vahoaka. Ho an’ny omaly dia tao Toamasina izy, ka nanentana ny olona hifidy ny kandidan’ny Tiako i Madagasikara izay tombanan’ny maro fa tsara toerana any an-toerana. Vitany ny hiasa ho anareo sy hisolotena anareo, hiady ho an'ny tombontsoanareo eny amin'ny antenimieram-pirenena; koa aza misalasala, fa ny ho avy no banjinintsika. Raiso ary ny andraikitra amin'ny 27 mey 2019, hoy izy tamin’ireo vahoaka maro be. Nidina ifotony teny an-tsena, nitakosona tamin’ny olona toy ny mahazatra i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.