Politique

Fifidianana depiote Tena mbola mahatoky ny TIM i Mahajanga


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Fitsenana makotrokotroka no nandraisan’ny vahoakan’i Mahajanga an’i Marc Ravalomanana omaly takariva.

 

 

 Tsy sakana ho an’ny rehetra ny fahamaizinan’ny andro fa dia an-kafaliana tanteraka no nandraisan’ny tanànan’ny voninkazo ny filoha nasionalin’ny Antoko Tiako i Madagasikara. Ela tsy tafafahaona rahateo, ka nifankahita indray ny tia sy ny manina. Mampiseho hatrany ny maha olon’ny vahoaka azy i Marc Ravalomanana, ka tsy mila kenonkenona sy fihetsika amboamboarina, fa tonga dia mifandray hatrany ny tadin-dokanga. Nanao fampielezan-kevitry ny kandida Raharison Hiajaniaina Michel na Jajah Michel laharana faha-7 ny tenany. Tena ao am-pon’ny vahoakan’i Mahajanga i Marc Ravalomanana sy ny kandida tohanany, ka tsy nahasakana ny rehetra hikorana sy handray an-kafaliana azy sy hanohana ny kandida TIM-K25 ny alina efa nirotsaka. Efa hita taratra ny fandresena. Maro rahateo ny zava-bitany tao Mahajanga, raha tsy hilaza afa-tsy ny sisin-dranomasina na ny “bord”, ny Banky Foiben’i Madagasikara. Tsy hay na fifanandrifian-javatra ihany na paikady politika efa nomanina fa anio dia higadona ao an-toerana ihany koa ny filoha am-perinasa Andry Rajoelina. Nezahina naparitaka sy naely ny fampitam-baovaon’ny Prefe any an-toerana mitaona ny olona ho avy sy hanotrona ny fahatongavany anio. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT