Miverina an-databatra indray ny hala-bato sy hosoka nitranga nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tany amin’ny Distrikan’i Marovoay ny 20 desambra 2013. Nijoro vavolombelona niaraka tamin’ny porofo maro ny Ben’ny tanànan’Ambolomoty sady kandida tsy miankina tamin’io fifidianana io, Atoa Sahoby Narivony.
Nampiantso mpanao gazety tao amin’ny hôtely Salala, ao Tsaramandroso Ambony, Mahajanga izy omaly nanaovany ampamoaka ny hosoka sy hala-bato ary tsy fanarahan-dalàna nitranga ny andron’ny fifidianana sy tamin’ny fampitana ny voka-pifidianana. Nilaza Atoa Sahoby Narivony fa nanana delege tamin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 167 manerana an’i Marovoay. Nokianiny anefa ny tsy nanomezana dika mitovy ny fitanana an-tsoratra ireo delegeny. Gaga ihany koa ity kandida ity amin’ny tsy fitovian’ny vokatra eo anivon’ny SRMV na ny vaomiera mpanisa vato sy ny an’ny CID (Centre Informatique du District) ampidirana azy amin’ny informatika. 10 465 ny isam-bato azony ao amin’ny SRMV, nefa 10 555 any amin’ny CID. Tao amin’ny EPP Marofototra indray raha 252 ny isan’ny vato manankery dia nisy nanova ho 335, araka ny filazan’Atoa Sahoby Narivony. Ity farany izay manamafy fa nisy ny fitanana an-tsoratra efa vita sonia mialoha ny fanisam-bato. Efa nitondra ny raharaha any amin’ny CENI-T sy CES ny tenany, ka miandry ampahatoniana ny vokatra havoakan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana. Amin’ireo solontenan’ity kandida ity dia mazava fa ny Ben’ny tanànan’Ambolomoty, Sahoby Narivony, no voafidy depiote tao Marovoay nahazo isam-bato 10.465 fa tsy i Bruno Rajohnson izany. Toerana iray ihany moa no iadivana ao Marovoay, ka dia andrasana ny didy havoakan’ny CES mikasika ity fifidianana solombavambahoaka tao Marovoay, izay naha be resaka ity.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.