Andro vitsy mialoha ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey ho avy izao, maro ireo mpiara-miombon’antoka no mampiseho fahavononana hanampy an’i Madagasikara amin`ireo fifidianana izay hotanterahana.
Ny alatsinainy ho avy izao, ny firenena japoney dia hanolotra fitaovana ara-informatika etsy Alarobia, Eo ihany koa, ny tohana ara-bola avy amin`ny fanjakana Alemanina amin`ny alalan’ilay tetikasa SACEM. Raha ny hita tamin`ny dingana maro nolalovana nandritra ireo fifidianana nifandimby anefa dia hita fa mbola betsaka ny lesoka na teo amin`ireo tompon’andraikitra na teo amin`ireo mpilatsaka hofidiana. Antony nanomezana fampiofanana ho an’ireo mpiantsehatra rehetra amin`izany niarahan’ireo mpikirakira ny fifidianana ankehitriny. Ny fikirakirana ny vato izay tena saro-pady indrindra, dia tsy maintsy hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny ho fomba fiasa ary ny ho fitondran-tenan’ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato mandritra ny telo andro. Anisan’ny teboka lehibe ifotoran’izany ny fanajana ny lalàna, ny fangaraharan’ny fifidianana sy ny tsy fitanilana ary fandrindrana ny asa rehetra sy ny fampitaovana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.