Nambara, noho ny hamehana, nandritra ny filazam-baovaon’ny Radio nasionaly Malagasy, amin’ny fiteny Malagasy ny alahady 19 desambra hariva ny fivoahan’ny didim-panjakana laharana 2010-1011 manaiky ny mpifidy amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao ny alarobia 16 martsa 2011.
Voalazan’io didim-panjakana io ny hirosoana amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana roa andro aorian’ny ivoahan’ny didy fanaikana mpifidy ary ny hamaranana izany 15 andro alohan’ny latsa-bato. Ny 01 martsa 2011 izany raha ity no raisina. Tsy vaovao raha io datin’ny 16 martsa 2011 io. Daty efa niarahan’ny Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika na ESCOPOL sy i Andry Rajoelina namaritra tamin’ilay nambara fifanarahana politika niarahan’izy ireo nanao sonia teny amin’ny Foibe fandraisana fivoriana iraisam-pirenena Ivato ny zoma 13 aogositra 2010 io, ary nasaina nankatoavin’ny mpizaika fotsiny nandritra ny fihaonambem-pirenena natao ny septambra 2010. Ny nahagaga dia nandrasan’ny FAT hiala teto Madagasikara ny iraky ny SADC, notarihin’ny Dr Leonardo Simao, vao navoakany io didim-panjakana io. Mazava ny resaka, fa hiroso amin’ny amboletra toy izay efa nataony hatrany izao fitondrana tarihin’i Andry Rajoelina izao. Miharihary amin’izao koa fa tsy vonona hifampiraharaha na hifampidinika an-databatra boribory amin’ny ankolafy hafa izany intsony ny FAT, fa dia handeha amin’ny taritokana efa nahazatra azy. Tsy tongatonga ho azy rahateo ny fisian’ireo Raiamandreny Mijoro nisehoseho faramparany teo, manery ny FAT hiroso amin’ny fanatanteraha ny tetiandrom-pifidianana efa tinapaka.
Ny 20 septambra 2010, namoaka didim-panjakana namaritra ny datin’ny 20 desambra 2010, amin’ity anio ity raha raikitra, ny FAT hanaovana fifidianana Ben’ny tanàna ary niantso ny mpifidy ho avy handatsa-bato. Niteraka savorovoro teto izany, satria andaniny anatin’ny fahavaratra vanimpotoanan’ny orana, ankilany tsy neken’ny ankamaroan’ireo Ben’ny tanàna amperinasa mbola te hirotsaka hofidiana ny andininy milaza ny tokony hametrahan’izy ireo fialana roa volana mialoha. Nitsivalana tamin’io mihitsy moa ny Fikambanan’ny ben’ny tanàna manerana ny Nosy, tarihin-dRalaiseheno Guy Maxime, ary nidiran’ity farany am-ponja mihitsy taorian’ny nisamborana azy ny sabotsy 20 novambra raha nikasa ny hanao famoriam-bahoaka teo Analakely io andro io. Nanao be marenina ny FAT, saingy rehefa tototry ny fanakianana avy amin’ny fikambanana mpanara-maso ny fifidianana sy ny mpanao politika tamin’ny tsy fahatomombanan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra 2010, dia nofoanana tampoka io fifidianana io ary tsy mbola fantatra izay hanaovana azy indray. Samy namoaka tolo-kevitra rahateo koa na tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita na ny ry zareo tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita mitaky ny hanemorana io fifidianana Ben’ny tanàna io mba hahazoana manarina ny tsy nety tamin’ny referandaoma sy ny tokony hanajana ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana ny tsy tokony hanaovana fifidianana eo anelanelan’ny 15 novambra ka hatramin’ny 15 aprily, izay voasokajy ho vanimpotoanan’ny orana.
Ny fialan’ny FAT bala moa dia hoe tsy voafaritra tamin’ny fihaonambem-pirenena iny datin’ny fifidianana Ben’ny tanàna iny, fa natao hampanginana sy hampandriana adrisa ireo nitaky ny hanoloana PDS ireo Ben’ny tanàna rehetra am-perinasa ary koa ny hanoloana ireo Lehiben’ny Faritra no nanaovana azy iny, ka novitavitaina mora teo ny fanafoanana azy. Mipoitra indray anefa ity fifidianana depiote amin’ny 16 martsa 2011 ity. Nivadika ny FAT. Mbola tafiditra anatin’ny vanimpotoanan’ny orana anefa io. Ahoana ny amin’ny CENI, mpikarakara ny fifidianana, izay naha be resaka taorian’ireny 17 novambra ireny. Dia ahoana ny amin’ny governemanta, hasiam-panovana ihany ka hatsangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena, ny fifidianana anefa afaka telo volana ? Raha raikitra ihany dia io izany no fifidianana voalohany hotanterahina ato anatin’ity ambara fa Repoblika faha-4. Tsaroana eto ny tenin’ny Pr Ranjeva Raymond tamin’ny dinidinika niarahany tamin’ny mpanao gazety farany, ka nilazany tamin’ny teny tsy misorona amin’ny maha mpahay lalàna azy, fa savoritaka no hateraky ny fifidianana voalohany tanterahina amin’iny lalàmpanorenana nitsapana ny hevi-bahoaka ny 17 novambra 2010 iny. Dia ho sanatria hiafara amin’ny zava-mitranga any Cote d’Ivoire koa ve izany ny eto ? Samy zanatany Frantsay rahateo ny tany roa tonta. Aza misy anie izany !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.