Tapaka nandritra ny fivoriamben’ny CENI-T omaly fa dia hotanterahina amin’ny zoma 30 mey 2014 ny famerenana ny fifidianana solombavambahoaka amin’ireo Distrika efatra nodidian’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana fa haverina. Ambanja, Belo amoron’i Tsiribihina, Marovoay ary Sainte Marie no voakasik’io famerenana io. Ny lisi-pifidianana tamin’ny 20 desambra 2013 ihany no hampiasaina, sady tsy afaka miala no tsy azo ampiana ireo kandida fa ireo efa nifaninana tamin’io ihany no hifaninana amin’ny 30 mey. Haharitra 21 andro ny fampielezan-kevitra, hotanterahina eo anelanelan’ny 9 ka hatramin’ny 29 mey. Daty telo dia ny 16 mey, 23 mey ary ny 30 mey no nisafidianana, ka ity farany no tapaka omaly ary haroso ny governemanta mba handraisana didim-panjakana miantso ny mpifidy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.