Tonga tamin’ilay hoe : « azo raisina fa tsy mitombina » ihany ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), fa ny fomba nentina nanehoana azy no niova, rehefa tena halalinina. Nitombina tanteraka ny hoe tsy hifanala baraka sy hifandentika velively ny HCC sy ny CENI.
Tsy mbola nivaly iny, dia efa navoakan’ny CENI ny vinan’ny tetiandro hanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly izay hatao ny 28 oktobra izao, ka ny 20 jolay-3 aogositra ny fametrahana ny antontan-taratasy, afaka tapa-bolana. 3 hetsy hatramin’ny 5 tapitrisa ariary ny antoka ara-bola. Maro ny zavatra tokony hahitsy sy fitsipi-dalao tokony hapetraka, raha tarafina tamin’ny fifidianana filoha sy depiote. Vitavita ho azy ny endrika hosoka sy tsy fanarahan-dalàna, tsy voahaja ny tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana,… ary toa manivaiva tanteraka ireo mpahay lalàna na vadintany niantsoroka ny fitoriana. Toa maneso ireo tsy mba nanao hosoka na nandika lalàna hoe: hadalana ny tsy mba nanaovana izany. Ny tahaka izany ve no hitaizana ny Malagasy sy volena eto ? Kivy ny olona, nitotongana ny taham-pandraisana anjara. Mbola izay ihany ve no tiana hotohizana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna mba hametrahana loko tokana sy fahefana tsy refesi-mandidy ? Ny mety hisiana tsirim-panantenana, dia ny Tribonaly misahana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana no hiandraikitra ny fifanolanana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Rehefa tsy afa-po eo dia afaka mampiakatra any amin’ny filankevi-panjakana, ary efa nisy teto ny hoe: ben’ny tanàna efa nitantana roa taona no niongana tampoka rehefa nandeha ny fitsarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.