Politique

Fifidianana ben’ny tanàna 3 hetsy hatramin’ny 5 tapitrisa ny anto-bola


  • Zoma 28 Jona 2019

Taorian’ny fangatahan’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany, dia nandray fanapahan-kevitra momba fanatanterahana ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina monisipaly ny avy amin’ny Vaomiera miantsoroka ny fifidianana na ny CENI.

 

Nanolotra volavolana tetiandro sy anto-bola tokony haloa izy ireo ho fandrasaina anjara amin’ny fanontana bileta tokana. Ny alatsinainy 28 oktobra 2019 izao no vinavinaina hanaovana ny fifidianana. Ny 20 jolay 2019 ary haharitra 15 andro, izany hoe hifarana ny 3 aogositra ny fametrahana ny antontan-taratasy. Ny 15 aogositra kosa no hamoahana ny lisitry ny kandida. 3 hetsy hatramin’ny 5 tapitrisa ariary arakaraka ny sokajin’ilay kaominina (Catégorie) sy arakaraka ny isan’ny mponina izay iankinan’ny isan’ny mpanolotsaina ny anto-bola haloa, hoy ny CENI. Nangingina ny raharaham-pifidianana depiote nisiana olana maro, izay andrasana andro vitsy ny fivoahan’ny valim-pifidianana depiote. Mivoaka ihany koa io ny volavolana tetiandron’ny fifidianana ben’ny tanàna, izay atao andro alatsinainy. Sao dia misy zavatra alamina, toy ny fitsipi-dalao na koa ny rafitra miantsoroka ny fifidianana izay niteraka adihevitra maro niainga tamin’ny fifidianana filoha.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT