Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.
Tsy mbola fantatra hatreto ny daty hanaovana azy ary andrasana ny 90 andro hiantsoan`ny governemanta ireo mpifidy handatsa-bato. Ny 22 septambra no hifarana ny fe-potoam-piasan`ireo teo aloha. Tranga roa no mety hiseho raha tsy vita aorian`ny 22 septambra ny fifidianana. Voalohany, voalazan`ny lalàna fa raha tsy tanteraka ny fifidianana eny anivon`ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia afaka manendry PDS (President de la Delegation Speciale) ny fanjakana hanao ny asan`ny ben`ny tanàna. Faharoa, azo halavaina ny fe-potoana hiasan`izy ireo. Tsy ny lalàmpanorenana mantsy no mamaritra azy fa ny lalàna. Araka izany, azon`ny fitondram-panjakana atao ny manalava ny fe-potoam-piasan`ny ben`ny tanàna. Ny lalàna velona mamaritra fa “scrutin majoritaire uninominal à un tour” na fifidianana indray mihodina handresen`izay mahazo vato be indrindra no hampiasaina. Ny fifidianana mpanolotsaina kosa dia fifidianana “scrutin de liste à la representation proportionnelle suivant la règle du quotient électoral et la règle du plus fort reste», izany hoe lisitra no fidiana ka arakaraky ny habetsaky ny vato azo no isan’ny mpanolotsaina mahazo toerana, hoy hatrany ny CENI.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.