Politique

Fifidianana ao Miandrivazo Misy kandidà mpiaro dahalo


  • Zoma 24 Mey 2019

Mampisavorovoro ary mety hiteraka korontana ao Miandrivazo ny fivoizan’ny kandidà iray ny tanjony hiaro ireo dahalo nampahory ny vahoaka an-taona maro tany an-toerana rehefa ho lany solombavambahoaka ny tenany.

 

 

 

 Fampanantenana ataony mihitsy ny hanafoanana ny hetsika fanenjehana dahalo ampanaovin’ny fanjakana ny andia-miaramila ao anatin’ny ZRPS “Zones rurales prioritaires de sécurité” izay nahatafaverina ny filaminana any amin’io distrika io ankehitriny. Tsy mifanandrify amin’ny hetahetam-bahoaka ny fikasany ka  mitady hampanjaka ny fitsaram-bahoaka aminy izy ireo satria tezitra mafy. Mahatsiaro ho very  tombontsoa amin’ny hetsika fanenjehana dahalo atao ity kandida ity ka ny mponina no ataony sorona. Tsiahivina  fa izy io no mpitantana ny “Dina Fitambarambentsoa” izay nandray ny dahalo niova fo tanatin’ny “kalôny” niandraikitra ny fampandrian-tany tamin’ny taona 2015 tany Miandrivazo. Niverina ho dahalo anefa ireo “kalôny”   ireo ka nandripaka tao an-tanàna hanaratsiana ny “Dinan’i Menabe” izay nankatoavin’ny fitsarana hasolo azy taty aoriana.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT