Noporofoin’ny Tiako I Madagasikara tamin’ny fifidianana solombavambahoaka omaly fa mbola tsy nisy nipika ny fitiavan’Antananarivo azy.
Na dia vonjimaika ihany aza ny vokatra dia mazava ny isam-bato: nahatafiditra solombavambahoaka amin’ireo boriborintany 6 eto an-drenivohitra ny TIM.Nody ventiny nyrano natsakaina, ny fanazavan-kevitra sy fandresen-dahatra ny vahoaka, tsara toerana mba tsy ilazana hoe laharana voalohany hatrany ireo kandida natolotry ny TIM K25 satria mbola vokatra tsy ofisialy moa.Midika izany fa efa manana tongotra iray eny Tsimbazaza ireo kandidan’ny TIM tamin’ireo boriborintany 6 teto an-drenivohitra niampy an’Atsimondrano sy Avaradrano dia tsy iza izany fa : Me Hanitra Razafimanantsoa, Stanislas Randrianarisoa (Rastany), Feno Ralambomanana (Feno), Emilien Ramboasalama (Rambo), Fetra Ralambozafimbololona, Todisoa Andriamampandry, Alain Ratsimbazafy , Gerry Randriambolaina .Re fa mahavelom-bolo ihany koa ho an’ity antokon’i Marc Ravalomanana ity ny voka-pifidianana avy any amina faritra maro manerana ny nosy; ho hitamiandalana eo ihany moa ny momba izay.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.