Nahitsy ny Filoha Lefitry ny RMDM avy amin’ny Faritanin’I Toliara Atoa Sahazalahy Tsianihy omaly, raha nanontaniana momba ny fiainam-bahoaka sy ny toe-draharaha any Atsimo omaly,
nilaza fa raha ny mpitondra amin’izao fotoana izao no jerena dia lasa toy ny manao “devoir” ampitain-davitra ka ao an-tsekoly no manome enti-mody, fa any ivelany ny mpianatra no mamaly. Tsy ny vahoaka nifidy azy no tsy mahita fiovana, fa vao mainka lasa mahantra sy mijaly. Ny tsy fandriam-pahalemana tsy hitany ny hamahana azy, kere tsy ahitany vahaolana,… hoy ity Mpanao politika efa Mpikamban’ny kongresin’ny tetezamita ity. “Tsy izy no manao programa fa toa olona any ivelany. Tsy tompon’ny toerany, tsy tompom-pahefahana, fa lasa mpitondra tsy mahavaha olana. Tsy misy fanantenana mihitsy ny hivoahana amin’ny krizy. Isan’andro izao aorian’iny, tsy latsaky ny 400 ny olona nifindra monina, raha tena mihatra ny PEM SUD. Manenina tongotra aman-tànana ny any Atsimo nifidy an’I Andry Rajoelina, lasa mahatsiaro hoe: raha teo Ravalomanana tsy toy izao ny zava-misy. Fanenenana goavana no nametrahana azy teo, tsy voavahany ny tsy fandriampahalemana, tsy voavahany ny kere sy ny mosary na teo aza ny atrik’asa natao. Iny atrik’asa iny dia karazana fisehosehoana fotsiny,werawera, fa tsy mbola nisy tombontsoa naterak’iny ho an’ny any Atsimo”, hoy hatrany Atoa Sahazalahy Tsianihy tsy nihambahamba omaly, raha nanontaniana ny tohin’ny fanatanterahana ny asa taorian’ny atrik’asa notarihin’ny Filoham-pirenena ny volana jona lasa teo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.