Politique

Fifidianana amin’ny 16 martsa “Tsy manaraka ny lôjika”, hoy Ralison Roger


  • Talata 28 Desambra 2010

Hita ho efa manomboka resy lahatra amin’ny tokony hampihemorana ny datin’ny 16 martsa hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka ihany amin’izao fotoana ny fitondrana tetezamita noho ireo fanehoan-kevitra maro be mitaky izany.

Na mpanohana na mpanohitra ny tetezamita mantsy dia samy miray feo fa tsy mety io daty io ary tena hiteraka olana vaovao eto amin’ny firenena indray fa tsy hamaha velively ny krizy araka ny noeritreretina. Atoa Ralison Roger, mpikambana ao amin’ny CST sady avy ao amin’ny Hery Politika Mitambatra izao dia vao nanamafy indray fa tokony hahemotra io fifidianana solombavambahoaka amin’ny 16 martsa io fa tena tsy mety, satria tsy manaraka ny lôjika ilay izy (?) Ny fifidianana Ben’ny tanàna no nokasaina ho natao tamin’ny 20 desambra, hoy izy, koa raha manatanteraka fifidianana isika dia io izany aloha no tokony halefa manaraka fa tsy ovaina indray. Manaraka izany dia ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana tanteraka io datin’ny 16 martsa io ka tsy mety ary mifanohitra tamin’ny nifanarahana, ary farany dia somary nanakorontana ny sehatra politika teo amintsika ihany ny fanambaran’ny governemanta io fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka io ka tokony homena fotoana handaminana ireo disadisa aloha ny mpanao politika izay vao miroso amin’ny fifidianana manaraka, hoy ihany ny fanazavan’ity filohan’ny antoko PRM ity.

Araka ny fiheveran’Atoa Ralison Roger azy dia tokony hanolotra fehinkevitra mitaky ny hampihemorana io fifidianana solombavambahoaka amin’ny 16 martsa io ny CT sy ny CST amin’ny fivoriana tsy ara-potoana hotanterahana amin’ny janoary 2011. Ny praiministra Camille Vital ihany koa moa dia somary efa nanatsidika izay ihany ny faran’ny herinandro teo, nilaza fa andraikitra hifampizaran’ny governemanta sy ny parlemanta ny fanapahan-kevitra ny amin’ny hampihemorana ny datin’ny 16 martsa. Rehefa natao ihany koa ny fanadihadiana sy ny fanangonam-baovao dia hita ho mirona any amin’ny fampihemorana ny datin’ny 16 martsa ny ankamaroan’ireo olom-boatendry, te hivadika olom-boafidy ao amin’ny CT sy ny CST. Tsy mahagaga, araka izany, raha tsy ho raikitra fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka io fifidianana solombavambahoaka io. 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT