Politique

Fifidianana afaka 7 volana Mahakely finoana


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2012

Mino sy matoky ny tsy maintsy hahatongavan’Atoa Marc Ravalomanana eto Madagasikara ireo mpanohana azy. Tsy olana ny datim-pifidianana, hoy izy ireo, fa azo ahemotra izany.

 Miverina mipoitra indray koa ankehitriny ny fihaonan’ny efa-tonta dia Atoa isany Didier Ratsiraka – Zafy Albert – Marc Ravalomanana – Andry Rajoelina. Amin’ny ankapobeny dia samy manaiky an’io ny ankolafy telo. Milaza ny tsy mahita ny maha zava-dehibe izany intsony kosa ireo mpiara-dia amin’ny filohan’ny tetezamita. Amin’izy ireo dia ny fifidianana ihany no vahaolana amin’izao krizy izao ka tsy maintsy tanterahana araka ny daty efa navoaka. Efa iaraha-mahita anefa ny fitarazohan’ny fanomanana ny fifidianana. Eo amin’ny resaka fanisana ny mpifidy sy ny teti-bola hoenti-miasa no tena olana. Ireo anefa no fototra amin’ny fanomanana ny fifidianana. Efa nisy sahady moa ny mpanao fanadihadiana amin’ny resaka politika sahy nilaza ny faran’ny herinandro teo fa tsy hisy fifidianana ho vita izany amin’ny 2013 fa dia resa-be fotsiny no misy. Fa nahoana tokoa moa no mampanahy ny hisian’ny fifidianana ?

Voalohany aloha dia tsy mbola feno ny fepetra rehetra amin’ny fitoniana ara-politika, io mbola mifanenjika sy mifanaratsy io ihany ny mpanao politika. Faharoa dia tsy mihatra araka ny tokony ho izy ny tondrozotra, mbola maro be ny gadra politika tsy navoaka, sakanana amin’ny fomba rehetra ny fodian’i Marc Ravalomanana, tsy mbola nosokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny fitondrana FAT. Fahatelo mifandraika amin’izay dia ratsy fanombohana ny fampihavanam-pirenena ka toa fifanandrinana indray no naterak’ilay izy, ary hita taratra ny fikasana ankolafy tokana mba hifehy ilay komity hikarakara ny fampihavanana. Ary fahefatra dia tsikaritra fa tena tsy mbola matoky izao fitondrana tetezamita izao ny sehatra iraisam-pirenena ka mailo amin’ny fanomezana famatsiam-bola.

Tsy midika inona velively ny fahafahan’ny filohan’ny tetezamita manatrika fivoriana sy fihaonambe any ivelany, mety ireny ilay hoe fihatsarambelatsihy ara-diplaomatika, fa raha ny tena marina dia tsy mbola resy lahatra amin’izao fitondrana tetezamita izao ny iraisam-pirenena. Be loatra ireo fomba fiasa hafahafa tato anatin’izao tetezamita izao, eo amin’ny resaka fitantanam-bola indrindra indrindra. Mibaribary koa ny fanararaotana ataon’ny manampahefana sasany, izay manome vahana ny kolikoly. Averina eto foana fa tsy mbola afa-miala amin’ny fanampiana avy any ivelany i Madagasikara, ary na ambara aza hoe mety ho afaka dia hita fa tsy ampy fahavononana ara-politika hahatanteraka izany raha i Andry Rajoelina sy ny ekipany, sy ankamaroan’ireo mpanao politika. Nampiasaina tamin’ny dokambarotra fotsiny ilay fitiavan-tanindrazana fa tsy hita akory izay asa mivaingana natao mifandraika aminy. Ny fahabetsahan’ny resabe sy ny fihetsiketsehana ivelany no mahatonga ny famahana ny krizy hikatso tahaka izao, ka mahatonga ny olona sasany efa kely finoana sahady ny amin’ny hahatanterahan’ny fifidianana eto afaka 7 volana raha mbola miseho lany ihany ny fanapahan-kevitr’ankolafy tokana sy ny faniliahana ny hafa ary ny fiheverana ny vahoaka Malagasy ho bado.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT