Politique

Fifidianana 2023 Tena ho sahirana i Rajoelina


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Herintaona sy tapany tsy hahatongavana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2023 isika amin’izao fotoana izao. Mitombina 90% fa mbola ho kandida ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina.

Iny naneho iny ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga ny zoma 01 aprily teo, fa manohana ary mbola hanohana sy handrisika an-dRajoelina hirotsaka. Ho an’ny mpandraharaha tahaka ireny, zava-dehibe aminy ny fitonian’ny tontolo ara-pandraharahana na “climat des affaires”, ary nitsotra an’izany io mpandraharaha goavana io. Na ny mpandraharaha Mbola Rajaonah aza tamin’ny fotoan’androny nandritra ny fifidianana 2018, dia naneho tamin’ny fanohanany an’i Marc Ravalomanana, fa ity farany no afaka hametraka fitoniana ara-pandraharahana. Mitovitovy, ary samy mitady fitoniana sy antoka ho azy ny mpandraharaha, ka mahatonga ny sasany hialokaloka amin’ny mpitondra io. Mety amin-dRavatomanga izany raha mbola fahalanian-dRajoelina. Na izany aza, tena ho araka izany ve ny ho fizotry ny politika? Mbola manana antoka sy toky ve ity mpandraharaha goavana ity fa handresy Rajoelina na eo aza ny tohana sy ny kajikajy samihafa? Henjana ny fandidiana eo, ary ahiana ny mety ho fitsimbadihana ara-politika. Ratsy toerana i Andry Rajoelina ankehitriny, ary matoa nanao an’iny fandaharana iny aloha Atoa Mamy Ravatomanga dia ao raha, ary mety manana ny hambo-po politikany tsy ampoizina. Eto amintsika ihany koa, fahita amin’ny politika ny hoe: tsy mitaingina soavaly maty, ary ny fanomezan-toky anio mety hivadika fitsipahana rahampitso. Be ronono tamin’ireo namany izany Hery Rajaonarimampianina izany, saingy nisintaka tsikelikely ny ekipa rehefa nanomboka ho ratsy ny fandehany, ka nirotsaka hofidiana ny Praiminisitra, minisitra,… Tao ny nandeha nanohana kandida hafa. Ho sarotra ny miandry an-dRajoelina, izay miiba ny vokatra mitaha ny Fanjakana teo alohany, izay 8% no azony tamin’ny fifidianana. Ara-politika, miha marefo ny mpanara-dia amin’ny Fitondrana, ka porofo iray lehibe io fisintahan’ny MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’i Hajo Andrianainarivelo io. Antoko voasokajy ho matanjaka indrindra nanohana ny Fitondrana raha refesina amin’ny olom-boafidy ananany. Hatramin’ireo depiote lany tamin’ny lokon’ny IRD/MAPAR dia TGV avokoa. Mbola baraingo no hafitsony amin’ny 2023! Etsy andaniny, miakatra ho azy ny herijikan’i Marc Ravalomanana, izay mbola mpifanandrina mafy amin-dRajoelina. Ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina ankehitriny, dia miteraka fahatsiarovana sy fampitahana fa hafa ihany ny tamin’ny andron’i Dada. Ny fahalanian-dRajoelina tamin’ny 2018 efa adihevitra be, niteraka tsy fahamarinan-toerana hatramin’izao, ary ho sarotra tanteraka ho azy ny 2023! Manampy trotraka izany, ity Fanjakana ity no be afera sy “scandales” indrindra tao anatin’ny 60 taona ka isan’ny mampihen-danja azy io.Ary farany, hita fa miha mahazo ambiansy amin’ny fanaovana politika ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Atoa Naina Andriantsitohaina izay isan’ireo mpandraharaha mpanefoefo mpanohana fatratra an-dRajoelina hatramin’izay, saingy tsy fantatra izay hataony rehefa manakaiky eo ny 2023.
Legende: Samy akaikin-dRajoelina i Ravatomanga sy Andriantsitohaina, ary hita fa samy te hanao zavatra goavana kokoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT