Politique

Fifidianana 2023 Miha mafy ny adihevitra momba ilay kandida faha 3


  • Zoma 25 Febroary 2022

Hita ho miha mafy, hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ny adihevitra mikasika ny efa fisiana kandida goavana fahatelo amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2023.

Niserantserana teny ihany izy io ny faramparan’ny taona 2021 ary ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary, moa no nanamafy avy eo fa efa misy kandida fahatelo na ilay antsoina hoe “troisième homme” any. Maro ireo mieritreritra fa ny filohan’ny vondrona afrikanin’ny Judo ankehitriny na UAJ, Siteny Randrianasoloniaiko, io kandida io. Misy anefa ankehitriny ny tsilian-tsofina mandeha fa mbola any am-pitan-dranomasina ilay kandida izay heverina fa mbola azo sokajiana ho olom-baovao sy afaka mifaninana tsara amin’ireo mety ho kandida miisa 2 hafa heverina fa mbola goavana amin’izao fotoana izao dia ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, sy ny ankehitriny, Andry Rajoelina. Mandeha koa etsy ankilany anefa ny fandinihana samihafa izay mitondra any amin’ny fomba fijery fa mety misy ny fifanarahana mampifamatotra an’ireo kandida miisa 2 voalaza farany ireo ary azo heverina mihitsy aza fa andry iray goavana mitana ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho tafajanona eo amin’ny toerana maha filoham-pirenena azy hatramin’izao ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Isan’ny petrakevitra iray koa ny hoe antony ivoizan’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana ankehitriny ny fanaratsiana hatrany ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, na ivoizan’ny mpiaradia amin’ity farany ihany koa ny fanaratsiana ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, dia mba hahafahana manakona izay heverina ho “troisième homme” izay. Petrakevitra na hoe “hypothèse” daholo nefa moa hatreto izany rehetra izany saingy heverina fa tsy ho ela dia hipoitra ny tena marina amin’ity tantara ity.
J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT