Politique

Fifidiana filoham-pirenena Fankatoavan’ny Olobe no atao antoka fa tsy vola


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2012

Anisan’ireo nilaza ho vonona hiatrika ny fifidianana izay ho filoham-pirenena eto amintsika manaraka ny filohan’ny Otrikafo, Rajaonah Andrianjaka.

 Nametraka fepetra anefa ny tenany fa ny fankatoavana alaina any amin’ireo Olobe isanisany avy amin’ny Faritra 22 manerana ny Nosy no tokony hatao “caution” na antoka ho fandraisana anjara amin’izany fa tsy ilay volabe efa tenitenenin’ny sasany. Raha 100 tapitrisa Ariary no takiana amin’ity resaka antoka ity, hoy izy, dia tsy maintsy manana 100 tapitrisa hafa koa ny kandidà tsirairay hiatrehana ny fampielezan-kevitra.

Tsy hisy hanana izany raha tsy ireo nangalatra ny harem-pirenena na ireo manana mpamatsy vola any ivelany, hoy ny filohan’ny Otrikafo. Nahitsihitsy ny filazany fa tsy tokony ho kandidà fa tsaraina eo anivon’ny fitsarana avokoa, na i Marc Ravalomanana noho ny raharaha 7 febroary sy noho izy nivarotra an’i Madagasikara amin’ny SADC sy Amerikanina, na i Andry Rajoelina noho ny resaka andramena sy ny fivarotana an’i Madagasikara koa amin’ny Frantsay.

Manohy

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT