Politique

Fifandresen-dahatra momba ny PEM Mety hanenjana mafy ny mpamatsy vola…


  • Talata 19 Janoary 2021

Mbola hiresaka sy hifandresy lahatra amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-

 

 


teknika sy ara-bola (PTF) ny Fitondram-panjakana ao anatin’ny fanatanterahana ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar). Tena mila fahaiza-miresaka sy fahaiza-mandresy lahatra, ary ny an’ny PTF mifandraika foana amin’ny ODD (Objectif de Développement Durable) na Tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy hatrany no isan’ny fepetra apetrany. Ny dikan’izay, mety miala sy mihintsana raha vao misy mamofompofona rendrarendra sy “werawera” mitaha amin’ny zava-misy sy iainana eto Madagasikara. Tsindriana ny fahaiza-miresaka sy mandresy lahatra izay hatreto aloha tena mbola tsy kapoakan’ny Fitondrana Rajoelina heverina ho mety tarazon’ny sary ratsy tamin’ny tetezamita. Ao anatin’ny roa taona sy tapany no hanaovana fanamby goavana lazaina fa hanombohana ny tena fanovana an’i Madagasikara. Misy dingana sy lamina ary antanan-tohatra ny famoaham-bola avy amin’ny mpamatsy vola na ny “procédure de déblocage”, fa tsy hoe vita ny resaka anio, dia hivoaka ny vola rahampitso. Mety ho hatrany amin’ny 6 volana raha vetivety ary mety ho an-taonany maro satria misy fandalinana sy fanadihadiana tsy maintsy atao. Hafa indray raha resaka hamehana sy mikasika ny lafiny mahaolona. Asa anefa aloha izay ho fitrangany sy ho fivokan’ny fifampiresahan’ny Fitondram-panjakana amin’ny PTF ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT