Raharaha miteraka adihevitra amin’izao fotoana izao ny mahakasika ny
fandinihana ireo dosie hanenjehana minisitra teo aloha, izay eo am-pelantanan’ny solombambahoaka. Iny niaraha-nahita iny ny firaisam-peon’ireo depiote omaly amin’ny fiarovana ny Praiminisitra lefitra teo aloha Reboza Julien tsy alefa hombohana any amin’ny HCJ. Raha tsy hisy ny fiovana, dia ho voaaro izany ity minisitra tamin’ny tetezamita ity. Heverina fa mety ho lasa didy fakan-tahaka na “jurisprudence” io hoe: rehefa tsy halefa ny iray dia miaraka tsy halentika izy rehetra, izay minisitra HVM ny 10 ary, minisitry ny tetezamita ny 02. Resaka niainga teny Tsimbazaza omaly rahateo ny hoe: mba tsy hisian’ny valifaty politika. Na izany aza, avo lenta ity raharaha ity, ary mety ho fanina amin’io ny Fitondrana Rajoelina. Ny solombavambahoaka aloha, dia ireny efa niaraha-nahitra ireny ny karazana lonilony teo amin’ny olom-boatendry sy olom-boafidy sasany, ny karazana tombotsoa ho an’ny solombavambahoaka toa tsy mbola azon’izy ireo toy ny fangatahana fiara tsy mataho-dàlana, kanefa ireo olona akaiky ny Filoha mibotsimbontsina. Ireny efa niaraha-naheno ireny ny endrika ny fifandirana politika eo amin’ny samy mpanohana fitondrana hoe: izahay no niady sy nitolona nahatonga io fitondrana io tamin’ny tolon’ny depiote 73. Ny hafa anefa no toa tena miravaka ny vanginy, kanefa tsy namono ny voay. Mety manenjana ny etsy Tsimbazaza. Ny olom-boatendry manodidina ny Filoha izay ambaran’izy ireo fa tsy nitatatra tsy nively farihy indray no mbola be baikobaiko. Ny olon-kafa tadiavina hogadragadraina daholo, kanefa ny ao anaty Fitondrana maro no manao ny ataony. Olom-boatendry avy any anaty Fitondrana anefa no voalaza fa isan’ny mandrisika mafy ny fandetehana ireo minisitra sasantsasany. Matoa nikatso io raharaha fanenjehana sy fandefasana dosie any amin’ny HCJ io dia ao raha. Ny IRD rahateo no maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena, ary tokony efa ela no vita io raha tena nalefa fa matoa efa in-telo nihemotra dia misy antony goavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.