Delegasiona mafonja notarihan’ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy Ulrich Andriantiana ary nahitana mpikambana folo nisolotena ny fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina no nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ny COMESA na ny tsena iombonan’ny Afrika Atsinanana sy Atsimo, izay natao tany Kinshasa – Repoblika demokratikan’i Congo ny 22 sy 23 febroary lasa teo.
Lohahevitra goavana telo no naroson’ny delegasiona Malagasy nandritra ity fihaonana ity ka voalohany ny fangatahan’ny firenena Malagasy ny mba hanasoniavan’ny COMESA amin’izay ilay fandaharanasa ho fampandrosoana aty Afrika. Ho antsika manokana dia efa nanasonia ny fifanaraham-piaraha-miasa ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Tranoben’ny tantsaha tamin’ny volana oktobra 2013. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa NEPAD na fiaraha-miombon’antoka vaovao ho fampandrosoana an’i Afrika izy io ka ny COMESA no mandrindra azy ho an’ny faritra atsimo sy atsinanan’i Afrika. Faharoa dia nanambara ny minisitra Ulrich Andriantiana fa manam-paniriana hiditra ho mpikambana feno amin’ny tahirin’ny COMESA i Madagasikara amin’ity taona ity mba hahafahana mahazo fanampiana ara-bola. Fahatelo farany dia nangataka ny hampihemorana ny fandoavany ny latsakemboka amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny COMESA i Madagasikara noho ny krizy niainana teto nandritra ny 5 taona ka nitarika fahasahiranana, tsy ho an’ny olon-tsotra ihany fa ho an’ny fanjakana ihany koa. Anisan’ny niatrika izao fivoriana tany Kinshasa izao moa ny minisitry ny varotra Olga Ramalason, ny minisitry ny jono Manoriky Sylvain, Atoa Brice Andrianomenjanahary filoha lefitry ny federasion’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara ary Atoa Eric Rajaonary Tale jeneralin’ny GUANOMAD. Manaporofo izao fa zava-dehibe amin’ny fitondrana tarihan’i Hery Rajaonarimampianina ny fiaraha-miasa isam-paritra sy ny fidirana amin’ireo karazam-pikambanana, efa mpikambana ao amin’ny SADC isika, dia izao indray fa mihetsiketsika ao anatin’ny COMESA raha toa ka somary natoritory nandritra ny fitondrana nisy teo aloha.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.