Tao anatin’ny fianianan’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, teo Mahamasina ny 25 janoary 2014 no nanomboka ny fisiana faty olona maro sy ratra toy izay niseho teo amin’ity kianjabe ity indray ny 26 jona teo.
Raha tsiahivina, ny harivan’ny fianianana nataon’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, teto Antananarivo ity hatrany ihany koa no nisian’ilay vato nihotsaka nahafatesan’olona maherin’ny 17 isa teny Ampamarinana. Ny 26 jona 2014 koa moa dia mbola nisy faty olona maro sy ratra toy ilay farany teo. Zary lasa feno ratra sy faty olona ny fifandimbiasam-pahefana teto amin’ny firenena tao anatin’ny 5 taona. Fa naninona no lasa sorona ao anatin’izany hatrany ny Malagasy ? Manjavona hatrany ihany koa ny fanadihadiana mikasika azy ireny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.