Politique

Fifanarahana ara-pitaovam-piadiana Namono afo ny Minisitry ny raharaham-bahiny


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Namaly ny kiana sy ny tsikera samihafa momba ny toe-draharaha ara-diplaomasia manoloana ilay fifanarahana ara-pitaovam-piadiana amin’ny Rosianina ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Richard Randriamandranto omaly.

 Mitazona ny toerany tsy miandany i Madagasikara, tsy misy hidiran’ny ady any Ukraine ny fanomezana fitaovam-piadiana, fa ny fandriampahalemana sy ny tombotsoan’ny firenena no jerena, araka ny nambaran’io Lehiben’ny Diplaomasia Malagasy io. Nilaza ny tenany, fa tsy midika ho fiandaniana ny fahazoana fitaovam-piadiana fa mitazona ny toerana noraisiny i Madagasikara, ka nanambarany mihitsy aza fa ohatran’ny somary hafahafa ny fijerin’ny olona. “Nahoana no tsy hanana fanampiana amin’ny lafiny fitaovam-piadiana. Ny fitaovana ampisaintsika izao, dia azo tamin’ny Rosianina fony mbola nanana fifandraisana ara-tafika”, hoy ity minisitra ity. Rehefa zohiana, karazan’ny vono afo politika ihany no nataon’ny Minisitra. Marihina rahateo fa fampahalalam-baovao vahiny no nilaza fa nisy ny fifanarahana teo amin’ny Fanjakana roa tonta ny volana janoary, ary nihatra nanomboka ny 25 martsa lasa teo. Nisy ireo dian’ny Minisitry ny fiarovana nakany Rosia, fa tsy nisy tatitra mazava ofisialy. Efa mivoaka ny fampahalalam-baovao vao mivoaka avy any ny Mpitondra mitondra fanazavana sy fiarovan-tena. Midika ihany koa fa tsy nandalo fankatoavana tamin’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona ity fifanarahana ity, izay azo sokajiana ho saropady. Raha tsy nisy ny ampamoaka nataon’ny fampahalalam-baovao, azo antoka fa tsy niresaka sy tsy nitondra fanazavana momba izany ny Fitondram-panjakana, izay midika fa betsaka ny tsy fangaraharana sy ny kimaizimaizina, ary rehefa vaky am-batolampy ny resaka vao mikorapaka manadio tena sy mitondra fanazavana! Izany ve no atao hoe: Fanjakana tsara tantana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT