Politique

Fifanantonana politika Misalovana ny CNOSC ny ESCOPOL


  • Talata 11 Janoary 2011

Mihemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny fahatongavan’ny iraka manokan’ny SADC, tarihan’ny Dr Leonardo Simao, eto Madagasikara, hanohy ny asa fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy.

Tsy fantatra mazava ny anton’izao fihemorana izao fa ny heno dia rahampitso alarobia 12 janoary no ho avy izy ireo raha tsy misy indray ny fiovana amin’ny ora farany. Ho an’ny mpanara-maso politika, izao fihemoran’ny fahatongavan’ny iraky ny SADC izao, dia midika fa mihisatra mba tsy hilazana fa mikatso ny diniky ny samy Malagasy. Tokony efa zavatra milamindamina mantsy no vantanin-dry Simao eto nefa izao toa mbola manahirana be ihany. Etsy andaniny, hita ho misalovana ny asan’ny CNOSC izay tokony handray an-tanana ny fampifanantonana ny mpanao politika hitondra any amin’ny fihaonana an-databatra boribory, ihany koa ny ESCOPOL.

Tsy hita anefa izay vitan’ity farany fa vao maika indray aza misavorovoro ny tanàna. Ny CNOSC moa nangina tsy nandenesam-peo toa manaja tena angamba. Na izany aza re ihany fa mahavelombolo ny Vondrona ho amin’ny fampandrosoana ny atsimon’i Afrika ity fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy ity na dia mbola tsy hita aza hatreto aloha ny marimaritra iraisana. Tsy ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny SADC intsony koa, araka ny fantatra ny fandefasana tafika hampandry tany eto Madagasikara fa dia ny fanohizana ny fifampidinihana sy fifampiresahana ihany no vahaolana. Tsy mitsivalana amin’ny fehin-kevitra mety hivoaka amin’ny diniky ny samy Malagasy ny SADC saingy manipika kosa fa mila mifanaraka amin’ny lamina napetraka ary eken’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny fiaraha-mitantana izany. 

Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT