Politique

Fifanantonana politika Herinandro hanova zavatra maro


  • Alarobia 05 Janoary 2011

Mitohy ny fifanantonana sy ny dinika eo amin’ny Tiako i Madagasikara (Ankolafy Ravalomanana) sy ny UDR-Fanovana hitadiavam-bahaolana hivoahana amin’ny krizy.

Etsy andanin’izany anefa dia mitohy ny hetsika ataon’ny mpomba ny ankolafy telo ao amin’ny Magro Behoririka ary miditra amin’ny andro fahatelo izy anio, raha ny amin’ity taona ity. Resahina misimisy kokoa ary nohazavain’ireo nifandimby nandeha-teny tao omaly ny fipetraky ny toe-draharaha ankehitriny, manoloana ireo resabe miely etsy sy eroa, izay indraindray mampisavorovoro ny sain’ny olona. Tamin’izany no nanaovan’ny Révérend Ndrianalijohn Andriamanampy fanamarihana mikasika ny tatitra an-gazety milaza fa feno fandrika ny dinika, ka nilazany tamin’ny teny tsotra fa «ny marina dia marina ihany ary marina hatrany».

Ny an’i Manoela moa dia basy atifi-kavana no taony : «ho hita eo na ny filoham-pirenena na ilay ‘mpanjaka’ no tsy hanaja ny teniny indray», hoy izy. Tamin’ny teny fampieritreretana kosa no nanamafisan’ny depioten’Arivonimamo, Rodin Rakotomanjato izany fa «ho hafa ny resaka raha mbola tsy mbola tsy miresaka an-kitsipo ny sasany amin’ity herinanadro ity no farany iandrasan’ny GIC ny tolo-kevitry ny ankolafy isanisany handrafetana ny soridalana hivoahana amin’ny krizy». Araka izany dia hanova zavatra maro ity herinandro ity. Fa nanamarika ity hetsika omaly tao amin’ny Magro ity ny fisian’ny solotena avy any Moramanga nifankahery tamin’ny tao.

 Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT