Politique

Fifanandrinana politika Iza no tena mahazo tombotsoa ?


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Tsy misy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny raharaham-pirenena, ankehitriny.

 

 

 

 Na ireo olom-pirenena mba manaraka ny fizotran’ny toe-draharaha pôlitika amin’ny haino aman-jery sy ny gazety aza fanina tanteraka, tsy mahafantatra intsony ny mety hiafaran’ny tantara. Ny zava-misy eto Madagasikara dia toy izao raha atao bango tokana.

Rajoelina sy Ravalomanana

Ny filoha Rajoelina sy ny ekipany no mitondra, velirano sy fampanantenana maro tokoa no natao. Hita ho mibahana ao an-tsain'izy ireo ny hoe Madagasikara misongadina aty afrika sy maneran-tany. Mety ho tsara izany saingy mety hanahirana ihany koa. Matetika io asa lavitr'ezaka ary any aoriana any vao mety ho hita ny vokany. Ary mba ahoana izany ny fohy ezaka? Ahoana ity fahasahiranana isan'andro ity. Etsy andaniny, ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny TIM, ny RMDM… dia manamafy hatrany fa amin'izy ireo, ratsy tantana ny firenena, tsy misy ny mangarahara, tsy mahafantatra ny tena laharampahamehana ny mpitondra fa tia mampanonofy vahoaka amin'ny seho ivelany manjelanjelatra amina fotoana voafetra ihany. Efa manakaiky ny jadona ny fomba fitantanana... Miha mahantra hatrany ny Malagasy. Tena henjana ny fifamaliana any anaty gazety sy filazam-baovao. Masiaka ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena amin'ny tambajotran-tserasera. Mampanahy fa mety ho voatohintohina ny firaisankinam-pirenena raha izao no mitohy. Hatreto aloha hita ho sarotra ny hisian'ny marimaritra iraisana. Mila fitandremana sy fahamailoana ny toe-draharaha, satria mety pitik'afo kely monja dia savoritaka ny eto.

Tombotsoa ho an’olom-bitsy

 Tsy ny vahoaka Malagasy mihitsy no hahita tombotsoa amin'ny savorovoro, tsy ny toekarena, tsy ny repoblika, tsy ny firenena. Tsy azo lavina anefa fa mety misy olom-bitsy mpandrehitra afo no mahazo tombony sy faly amin'ny fifanandrinan'ny mpitondra sy ny mpanohitra. Mety misy mahita tsirony amin'ny fifamotehan'i Rajoelina sy Ravalomanana. Mahazo tombony rehefa midangana be ny sandam-bola euro sy ny dolara. Faly ery rehefa miha lafo ny vary, siramamy, menaka, sira, labozia, hena, legioma.. Tokony miezaka mahatakatra izany ny olom-pirenena mialohan'ny hifanaovana vava tsy ambina sy hifanandrinana amina adihevitra tsy hitondra-bokatsoa ho an'ny fidiram-bola sy ny aty vilany.Manasaro-javatra ny maha olon'ny fo ny Malagasy , io matetika no mitondra any amin'ilay antsoina hoe "fanatisme", ka manjary tsy mahazaka adihevitra ary tsy te hahalala ny fomba fijerin'ny hafa. Mbola lesoka iray goavana ihany koa ny lentan’ny fanabeazana izay mbola tena ambany eto Madagasikara hany ka mora lalaovina ny sain’ny olona.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT