Politique

Fifampitoriana ao amin’ny CUA Hiakatra fitsarana anio ireo mpanolotsaina 7


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Anio 09 mey amin'ny 11 ora no hiverina hatao fanadihadiana ireo mpanolotsaina 07 mianadahy (1 IRK, 6 TIM). Mandra-pikaton’ny dingana rehetra, dia ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.

Loham-piampangana azy ireo ny fanalam-baraka fahitalavitra sy tambajotra Facebook ary mbola misy hoe: fanompana variraraka, izay nasian’i Clémence Raharinirina hoe: “hono” ny momba an’io. “Marihiko fa misy mpitandrina aminay ilay toriana ary 60 taona noho mihoatra ny 02. Misy fahalalahana tokoa ve eto madagasikara?”, hoy io mpanolontsaina Kaominaly io. Ny tenany izay tratry ny fitoriana maromaro, ka isan’izany ilay fitarihana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana ny 09 aprily. Fanamarihana efa nataony moa ny hoe: tamin’ny andron’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, fony ny taxi nanao hetsika, dia nahazo alalana mazava tamin’ny Fanjakana sy ny manam-pahefana teto Antananarivo. Mbola notorian’ny mpanolontsaina monisipaly Lalatiana Ravololomanana. Saika nitsikera ny fomba fitantanana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo avokoa moa iro mpanolontsaina ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny raharaha SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) izay orinasa najoro hikirakira ny lafiny ny fampidiram-bola sy ny fitantanam-bola ao anatin’ny kaominina. Tsy ny mpanolontsaina monisipaly ihany no efa nitsikera, fa efa voahorakoraka ny mpiasa teo am-pananganan-tsaina hatramin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Raharaha hafa mifandraika amin’izany ny fakana vola 11 miliara Ar teo anivon’ny CNaPS, izay notsikafonin’ny mpanolontsaina avy amin’ny mpanohitra ireo teboka maro momba izany sy ireo fitantanana hafahafa. Ny Kaominina tsy mandeha amin’izay laoniny, fa mbola manam-potoana hifampitaritaritana any amin’ny fitsarana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT