Fifamindram-pahefana

> Hatrehan’ireo filoham-panjakana vahiny


  • Alakamisy 23 Janoary 2014

Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo mpitondra fanjakana nifandimby teto Madagasikara hatramin’ny fiverenan’ny fahaleovantenantsika tamin’ny taona 1960. Raha ny zava-nisy niainana aza dia tena zara raha nanatanteraka fifanolorana fahefana ireo filoham-pirenena Malagasy voafidim-bahoaka ara-dalŕna taorian’ireo fifidianana notanterahana teto nanomboka tamin’ny taona 1993.

Ny tena mahavariana aza dia ireo mpitondra nitantana tetezamita mankany amin’ny Repoblika vaovao no mazoto mamindra fahefana amin’ny filoham-pirenena lany taorian’ny fifidianana. Ohatra mivaingana amin’izany ny hitranga eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny zoma 24 janoary 2014 amin’ny 11 ora antoandro amin’ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filohan’ny tetezamita Rajoelina Andry Nirina sy ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara vaovao Rajaonarimampianina Hery. Araka ny fantatra dia nanasa ireo vahiny manan-kaja maro hanotrona ity lanonam-panjakana farany izay hotarihany ity ny lehiben’ny tetezamita ka anisan’izany ny filohan’i Seychelles, James Michel, ny filohan’i Namibie sady mitantana ny Troika-SADC, Hifikepunye Pohamba, ny filoha Maorisianina Kailash Purryag ary ny filoha Kaomorianina Ikililou Dhoinine. Raha izay tokoa no hitranga dia sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no hisy filoham-panjakana vahiny hanatrika fifamindram-pahefana eo amin’ny samy Malagasy. Samy manana ny eritreriny mikasika azy ity moa ny tsirairay. Ho an’ny jeneraly Ramakavelo Désiré manokana dia tsy tokony ho ankamehana ny fanaovana izany mba tena hisian’ny fifanohizana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny resaka mandeha eny anivon’ny fiarahamonina indray dia mihevitra fa tsy ampy ny fifamindram-pahefana fa tokony hiara-dalana aminy eo ihany koa ny fifamindram-pitantanana satria efa nahavita fotoam-piasana iray toy ny filoham-pirenena ny fitondrana tetezamita.

 

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT