Politique

Fidirana anaty governemanta Tsy te hanimba tena ireo manam-pahaizana


  • Talata 22 Febroary 2022

Manana olona tena mahavita azy ve ny antoko sy vondron’antokon’ny fitondrana? Ho avy indray mantsy ny mety ho fikitihana na fanovana governemanta.

 Minisitry ny harena an-kibon’ny tany enim-bolana vao voatendry, olona hatao Ambasadaoro aty amin’ny 3 sy 4 taona nitondrana vao manangona “CV”,.... Toerana politika ny toeran’ny minisitra, saingy mila traikefa ara-pahalalana sy ara-teknika ihany koa. Ekena fa maro ny mirangorango toerana sy seza, indrindra fa ny mpanao politika, saingy betsaka no tombotsoa no maha maika azy. Sarotra ho an’ireo manam-pahaizana sy manana traikefa manana etika, ary olona heverina fa mbola madio anefa no hidi-kizo ao anatin’izao fitondrana izao. Fanamby lehibe izany mandray toerana minisitra izany, saingy sarotra ny hanao fahagagana ao anatin’ny lavaka mangitsokitsoky ny tsy fahaiza-mitantana kanefa ny fotoana efa fohy dia fohy sisa hananana, tsy afaka hanao mazia ao anatin’ny lavaka lalina. Noho izany, tsy te hanimba tena ao anatin’io Fanjakana io ny ankamaroan’ny manam-pahaizana. Tsy hoe: tsy mahay ireo minisitra ankehitriny, ireo mpitantana,… fa ny politikam-panjakana sy politikam-pitantanana nentin’izao Fitondrana izao mihitsy no tsy mahomby sy tsy marin-toerana. Vina misavoamboana, diplaomasia manidintsidina,… ankoatra ny efa tsy fahamarinan-toerana tany amin’ny fifidianana. Raha tena nanana olona izao Fitondrana izao tsy nitaredretra tahaka an’io. Ny tonta ihany ve no havadibadika? Sarotra ho an’ny Filoha noho izany ny zava-misy satria ny fanilihana ireo ekipa izay maro no be afera sy manaratsy endrika ilay fitondrana, misy ny tsy mamokatra,… dia mety hampitombo ny mpifandrina ara-politika. Toa endriky ny ho faharendrehan’ny Fanjakana Rajoelina ny zava-misy sy miseho rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT